Actualités

Novonoina ny Kapiteny Falihery Iza indray no manaraka ?


  • Alakamisy 17 Septambra 2015

Tsy nanaiky ny jeneraly Beni-Xavier Rasolofonirina, lehiben’ny Etamazoro jeneralin’ny tafika Malagasy fa hanokatra fanadihadiana manodidina ny fomba nahafaty an’ny chef d’Escadron Andriatiana Falihery, kaomandin’ny kaompanian’ny zandary tao Betroka.

 

 Voamarina ankehitriny fa tsy nandritra ny fifandonana tamin’ireo dahalo tao Mangalahily, tao Ivahona no nahavoatifitra azy fa efa teny an-dalana hody. Mipetraka ny ahiahy ankehitriny fa tetika efa nomanina ny namonoana ity kapiteny ity satria nanelingelina angamba. Iza no namono ny kapiteny ary iza no mahita tombontsoa amin’ny nahafatesany ? Ho hita eo raha tena hipoitra tokoa ny marina …

Trafikana basy

Raha ny zava-misy ao Betroka mantsy dia tena betsaka tokoa ny fisehoan-javatra hafahafa ka mahalasa fisainana. Anisan’ny tena nanaitra amin’ireny tranga ireny ilay nananan’ilay olon-tsy fantatra fahasahiana hiditra ao an-tranon’ny manamboninahitra zandary izay ao anaty toby. Tsy isalasalana ny ilazana fa mety misy zandary miray tsikombakomba tamin’ny dahalo tao amin’ny toby. Tsy vao sambany rahateo moa no nisian’izany raha tsy hampatsiahy afa-tsy ny nahatrarana ireo basy marika Grizzly 245 isa tao anatin’ny fiara Sprinter tany Toamasina ny volana jona 2014 izay an’ny vadina manamboninahitra ambony zandary. Tsiahivina fa rahavavin’io ramatoa io ihany koa ny vehivavy iray izay nosamborina tany Betroka satria noheverina fa mpiray tsikombakomba tamin’ny fanaparitahana ireo basy ireo. Efa votsotra anefa io ramatoa io izao. Marihina fa tena misy fifandraisana akaiky amin’ingahy Solombavambahoakan’i Betroka Randrianasolo Jean Nicolas io ramatoa io. Tsy manendrikendrika an’Atoa Solombavambahoaka fa raha ny toe-javatra misy dia mila mitondra fanazavana matotra ny tenany mba hialan’ny ahiahin’ny olona aminy.

Tafavoaka foana izay voasambotra

 Momba ny fifandraisan’ny Solombavambahoaka Randrianasolo Jean Nicolas sy ny kapiteny Falihery indray dia efa nisy ihany koa ny disadisa tamin’ny tsy netezan’ny OMC nidina tany Ianakafy tamin’ny nahafaty an’i Tsiharagny Retana. Maro ireo olona afaka hijoro vavolombelona ny amin’izany ao Betroka. Efa mba niezaka ihany ny tao amin’ny kaompanian’i Betroka ny manenjika ireny mpanao afera na basy sy bala ireny, hoy ny lietna Cédric izay lefitry ny kapiteny Falihery fa tsy afa-manoatra ny zandary fa tafavoaka hatrany izay voasambotra. Maty izany izao iny ny chef d’Escadron Falihery Andriantiana, dia iza indray no mpanelingelina hovonoina manaraka ? Miandrandra vokatra tena azo tsapain-tanàna ny vahoaka amin’ity indray mitoraka ity satria dia matimaty foana sanatria ny tanora Malagasy mba manolo-tena ho an’ny tanindrazany. Tena miandrandra ny vahoaka mba ho sahy ny fitondram-panjakana hisambotra ary hanasazy na iza na iza na inona fahefany na inona rehefa voarohirohy amin’ity resaka famatsiana fitaovam-piadiana ny dahalo ity.

Omaly no notoloran’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta Ravelonarivo Jean ny mariboninahitra “ Chevalier de l’odre national” ny kapiteny Falihery Andriantiana izay nakarina ihany koa ho chef d’Escadron.

Légende:Mijoro ho vavolombelona ny lietna Cédric fa tena misy mpiaro ireo mpanao trafikana basy omena ny dahalo

Ra-bri

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT