Actualités

Nosy Tromelin Kopaka isasahan’i Frantsa sy Maorisy


  • Alakamisy 10 Jona 2010

Tsy milamina akory ny momba ny nosy Juan de Nova izay nomena an-tsokosoko ny Franstay dia mipoitra indray izao ny fibodoan’ireo firenena vahiny ny nosy Tromelin, dia i Frantsa sy Maorisy.

Na ara-jeografia na ara-tantara satria ahitana fasana Malagasy dia nosy mbola ao anatin’ny fari-piadidan’i Madagasikara ny nosy Tromelin. Tafiditra ao anatin’ireo vondro-nosy Eparses, Juan de Nova, Europa, Bassas d’India i Tromelin. Efa am-polony taona maro no nangatahin’ireo mpitondra malagasy rehetra ireo nosy ireo ny hamerenana azy ireo amin’i Madagasikara. Ho an’i Tromelin manokana, araka ny fanazavana, dia nandritry ny fivoriana faha-26 nataon’ireo minisitry ny raharaham-bahiny aty amin’ny faritry ny ranomasimbe indiana no nifamindra fahefam-pitantanana izany i Frantsa sy Maorisy. Ho an’ny ankolafy Zafy Albert da misy halatra bevava ao ambadik’ity raharaha ity. Araka ny fanazavan’ny Dr Ramiandrisoa Joseph aza moa dia niray tsikombakomba i Frantsa sy i Maorisy, karazana natao takalo ka hivarotan’i Maorisy ny SADC. Tsy vitan’ny fitondrana ankehitriny, hoy izy, ny miaro ny fiandrianam-pirenena. 1,7km amin’ny 700 metatra ny haben’i Tromelin izay akaiky dia akaiky an’iMadagasikara.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT