Mijanona amin’ny fanentanana sy fampahafantarana ny zava-misy mikasika ny fitakiana ireo Nosy manodidina an’i Madagasikara fotsiny ny adidin’ireo mpitarika ny vondron’ny tia tanindrazana
. Manana andraikitra feno amin’ny fomba rehetra ahatongavana amin’ny tanjona dia ny fisitrahan’ny Malagasy tsivakivolo ny nofontany miaraka amin’ny harena hita ao amin’ireo Nosy Malagasy ireo kosa ny mpitondra fanjakana mahefa ankehitriny, hoy Ranaivo Sata. Olom-boafidin’ny vahoaka Malagasy ny filohan’ny Repoblika sy ireo mpiara-miasa aminy eo anivon’ny fahefana mpanatanteraka ka inoana fa tsy handraraka ilo mby an-doha amin’ny fanatanterahana ny hetahetan’ny mponina ao aminy. Tsikaritra ho misy tahotra ihany anefa amin’ny mpitondrantsika momba ity raharaha goavana mampifanolana amin’ny firenena frantsay ity. Tsy mitovy rahateo ny hery saingy misy ny paikady azo entina mampanaiky an’i Frantsa hampihatra ny tsoa-kevitra tinapaky ny fivoriamben’ny Firenena mikambana tamin’ny taona 1979. Vahaolana tokana mahomby amin’izany ny fandresen-dahatra ara-diplomatika ireo firenena matanjaka izay efa vonona hanohana ny fitakiantsika eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, hoy ity filoha lefitry ny fikambanana «Asandratro ny Fireneko» ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.