Nambaran’ny filoham-pirenena ho mamboly korontana ireo tsy mitovy hevitra amin’ny fanjakana nandritra ny diany tany Nosy be, izay nijerena ny momba ny seranam-piaramanidina asiam-panamboarana.
Ny fitondram-panjakana no mamboly korontana eto, ka manamarina izany ny tsy nanomezana alalana ny antoko TIM hankalaza ny faha-15 taonany, ny raharaha Antsakabary, raharaha fakana an-keriny,… hoy i Tabera Randriamantsoa. Ankoatr’izay dia nambarany ihany koa fa misy ambadika ny fanamboarana ny seranam-piaramanidina izay hataon’ny fitondram-panjakana any Nosy be Hell ville io. Efa nilatsaka ho kandida filoham-pirenena aho, hoy izy ka fantatro ny ambadik’io. Misy paika maloton’ny vahiny io, ka rehefa tena mandroso ara-ekonomika, dia misy hanery hangataka fahaleovantena ary hitambatra amin’i Mayotte, ka mila mitandrina isika satria misy firenena iray mitady an’io, hoy izy. Izao dia efa lasan’ny vahiny ny serananan’i Nosy Be ary tsy ho azontsika intsony, ary mody hanao fampiasam-bola ao ny vahiny ary hihezaka ny hanana tanjaka ara-ekonomika ao, hoy hatrany ity minisitra ity. Misy ihany koa ny kajy maloto momba ny Nosy Sainte Marie, izay akaiky an’i La Réunion. Noresahiny ihany koa ny momba ny nahafatesana olona ambony sy mpanao politika maromaro tamin’ny fomba hafahafa tato ho ato, izay olon’ny Antoko Tiako i Madagasikara no ankamaroany: Ben’ny tanànan’Ampefy; Mamy Rakotoarivelo, izay ambarany fa sarotra inoana izany hoe namonono tena izany. Ny Minisitry ny asam-panjakana teo aloha Tsiandopy Jacky, izay manana dosie be dia be amin’izao afera maloto eto amin’ny firenena izy, ary iny novonoin’olona iny. Nisy ihany koa ny ampanjakana novonoina, izay notsiahiviny. Vao omaly ny loza mahatsiravina tany Anjozorobe. Eto izany dia tsy misy afa-tsy faty olona dia trano may. Hatramin’ny nitondran’ity fitondrana ity, raha kajiana ny maty dia efa mitovy tanteraka amin’ny any Iraka sy Palestina na Syrie no maty eto satria isan’andro dia faty olona foana, hoy izy. Drafitra manokana no handresena ny tsy fandriampahalemana eto madagasikara hoy ity filohan’ny antoko kintana ity.Tsy vaha olana mihintsy ny fizarana moto hoan’ny mpitandro filaminana.Zary efa fialana bala hataon’izy ireo mantsy ny tsy fisiana solika raha toa ka misy ny fiantsoana azy ireo raha sendra fanafihana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.