Feno 30 taona ankehitriny ny nijoroan’ny Vaomieran’ny ranomasina Indianina. Fankalazana izay hanamarika ny tantaran’ireo firenena nosy 5 mpikambana eo anivon’ny kaomisionin’ny oseanina Indianina
. Tolo-kevitra efa nivoaka tamin’ny filankevitry ny minisitra tany Moroni tamin’ny taona 2014 izy io izay hifantoka amin’ny fanamafisana ny fifandraisana ana habakabaka eo amin’ireo firenena mpikambana ao amin’ny COI. Tetikasa iray goavana iombonan’i Madagasikara, Maorisy, La Réunion, Seychelles ary Kaomoro hisongadina amin’izao tapaky ny taona 2015 izao ny «Alliance Vanille». Amin’ny maha-filoha mpitarika ny Vaomiera an’i Madagasikara dia izy no hampiantrano ity fifanaovan-tsonia fifanarahana manan-danja hifamatoran’ireo kaompaniam-pitaterana ana habakabaka eto amin’ny faritry ny ranomasina Indianina ity izay hotanterahana ny 18 jona izao, araka ny tapaky ny filankevitry ny minisitra andiany faha-30 ny farany teo teto Antananarivo. Nohalavaina hatramin’ny faran’ny taona 2015 ihany koa ny fitantanan’ny minisitry ny Raharaham-bahiny Malagasy Attalah Béatrice ny COI.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.