Actualités

Nosamborin’ny GIR «Vadina» zandary mibizina grenady


  • Alarobia 14 Jolay 2010


Sakaizana zandary iray no voarohirohy tamina aferana grenady. Afak’omaly ity ramatoa ity no nalain’ny polisy tao an-tranon’ilay zandary. Noho ny fahatraran’ny polisin’ny Gir grenady iray saika hamidy teny Ambondrona tamin’ny 1 jolay lasa teo no nahatonga izany. Notononin’ilay lehilahy ho mpamatsy azy mantsy ity vadina zandary ity ka tsy maintsy natao famotorana izy. Araka ny fantatra teo anivon’ny polisim-pirenena dia nanaiky ny fidirany amin’ity resaka ity ilay vehivavy saingy nolazainy kosa fa miaramila no loharanon’ireo grenady ireo izay am-polony maro mihitsy. Nomena ny zandary indray ny fanohizana ny famotorana taorian’izay ary efa nandefasan’izy ireo fiantsoana ilay miaramila.

Nofandrihan’ireo avy amin’ny Gir moa ilay lehilahy teny Ambondrona nahatrarana azy. Milaza ho mpividy ireo polisy ka folo no nifanarahana hovidiana iray hetsy ariary mahery ny iray. Rehefa tonga teny Ambondrona anefa dia iray ihany no nentiny. Araka ny voalazan’ny zandary tao amin’ny toby misy ity namany voatonontonona ity kosa dia tsy mbola vita soratra izy roa ireo fa mipetraka ao aminy fotsiny manao tokantrano maso.
 
Fa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT