Nahazo ny anjarany sy izay tandrify azy avy amin’ny mpanao famakafakana politika ao amin’ny Radio Viva, izay fananan’i Andry Rajoelina, omaly maraina ireo miaramila, izay nosokajiana fa tsy manaja ny lehibeny sy tsy manaraka ny fitsipi-pifehezana sy ny arofenitra miaramila.
Voalazan’ity onjampeo tsy miankina ity koa fa misy amin’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny foloalindahy no tsy mahay mitarika ny mpiara-miasa aminy sy ny miaramilany. Raha fehezina ny resaka dia nanakiana mafy ny fihetsiky ny miaramila amin’ny tsy fanohanany tanteraka ny filohan’ny HAT ao anatin’izao famahana ny krizy izao ny Radio Viva. Nifandimby tokoa ny volana, ary niova ny taona, ka niova niaraka tamin’izany ihany koa ny fandehan-javatra sy ny fizotry ny raharaham-pirenena. Ny miaramila no nampiakatra an’i Andry Rajoelina teo amin’ny fitondrana, ankehitriny dia ireo miaramila ireo ihany no manozongozona ny sezany, mba tsy hitenenana hoe mitady hanongana azy. Mihena isan’andro tokoa ny herin’ny fitondrana iray rehefa tsy manohana azy 100% ny foloalindahy.
Raha ny fahitan’ny mpanara-baovao azy, dia mitovitovy ny nitranga tamin’ny 2009 mihitsy ny fihetsiky ny miaramila amin’izao fotoana. Izany hoe miezaka ny miasa mafy ireo tompon’andraikitra ambony, saingy efa manomboka tsy mankato ny baiko intsony ny any amin’ny lakazerina ary manomboka miteny sy maneho hevitra ary manohatra mihitsy ny ambaran’ny fitondrana ireo manamboninahitra sasany. Nisy koa ireo miaramila efa nivoaka ny lakazerina ka nanao sakana, tahaka ny nataon’ny FIGN. Araka ny resaka mandeha ihany koa dia efa nisy ireo miaramila sy zandary tsy nety nivoaka ny lakazerina na dia nisy aza ny baiko mazava nomena azy ireo. Tsy milamina ny foloalindahy, ary tsy resy lahatra intsony amin’ny fomba fitantanan’i Andry Rajoelina. Mbola nijanona ho siosion-dresaka izany teo aloha, azo antoka kosa ankehitriny fa tena mitombina izany rehetra izany noho ity fanakianana nataon’ny onjam-peo manohana ny HAT ity. Izao marina angamba no tonga amin’ny tenin’ny mpandinika iray hoe : « miverimberina ny tantara » !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.