Actualités

Nofo mangatsiakan’I Tsiandopy Jacky Hoentina any Vohémar anio


  • Zoma 04 Aogositra 2017

Anio zoma no hentina any Antsiranana ny nofo mangatsiakan’i Tsiandopy Jacky Mahaly, izay nodimandry teo amin’ny faha 65 taona, vokatry ny famonoana azy tao an-tranony teny Ivato ny alin’ny lahady 30 jolay teo

. Any Vohémar, faritra Sava no hatao ny fandevenana azy. Manambady ary namela kamboty 8 mianadahy sy zafikely 11 ny tenany. Tsiahivina fa Ministry ny asam-panjakana sy ny lalàna sosialy tamin’ny andron’I Marc Ravalomanana izy, ary efa filohan’ny delegasiona manokana tao amin’ny faritanin’Antsiranana sady filohan’ny filan-kevim-pitantanan’ny Oniversite Antsiranana.  Efa senatera sady mpikambana tao amin’ny kongresin’ny tetezamita ihany koa ary « inspecteur général d’Etat » , andraikitra nosahaniny farany sady nandratoany fianarana manokana tao amin’ny ENAM/Androhibe. Tsiahivina fa nivoaka tamin'ny andiany faha 5 printsy Ratefinanahary tao amin'ny CEDS (foibe fianarana ny diplomasia sy ny tetikady) ihany koa izy. Mbola manjavozavo tanteraka kosa ny fanadihadiana momba ny antony namonoana azy. Re kosa fa misy ny olona akaiky azy ahiana ho nahavanon-doza. Voalaza moa fa very ny solosaina manokana fampiasany, ny vata fitoeram-bola,… Ahiana ho misy ambadika politika goavana ny namonoana azy satria isan’ny asa manelingelina sy ankahalain’ny mpanao afera sy olona ambony ny asa niantsorohany. Miandry ny rehetra hoe hisy hangirany sy hivoaka ve ny marina momba ny namonoana azy sa ho toy ny raharaha Ratsimandrava, raharaha 10 aogositra 1991, ny raharaha 25 janoary 2016, ny 26 jona 2016,…

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT