Nodimandry tany Londres renivohitr’i Angletera tamin’ny alarobia 9 janoary 2013 teo amin’ny faha-81 taonany ny Dr Pietro Lupo, izay teratany Italianina nampianatra nandritra ny taona maro tao amin’ny oniversiten’i Toliara.
Mpampianatra mpikaroka, mpahay tantara, ny tenany ary mpikambana tao amin’ny Akademia Malagasy. Na dia efa nisotro ronono aza ity mpampianatra mpikaroka fanta-daza maneran-tany ity dia nanohy ny asa fampianarany hatrany noho ny fitiavany lalim-paka an’i Madagasikara sy ny vahoaka malagasy. Maherin’ny 100 ny boky efa nosoratany izay nampisongadina hatrany ny tantaran’i Madagasikara sy ny fomba amam-panao mampiavaka ireo foko samihafa eto amintsika. Izy irery ihany no Laika voalohany nanoratra ny toe-piainan’ny Frera Rafiringa sy ny lalana nolalovany tamin’ny taona 1978. Efa nitazona andraikitra maro teo amin’ny tontolon’ny fampianarana ambony tany Toliara ihany koa ny tenany sy ramatoa vadiny Raveroharimanana Monique, anisan’izany ny departemantan’ny tantara.
Namolavola olomanga maro
Anisan’ny olona novolavolain’ny Dr Pietro Lupo ny Dr Dina Fotomanantena Jeanne mpahay tantara sady mpampianatra mpikaroka no mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita amin’izao. Tsy nanadino ny asa soa vitany ny oniversiten’i Toliara, ka rahampitso alahady dia hisy lamesa ho fialan-tsasatry ny fanahiny sy ny fahatsiarovana azy ao amin’ny amphi-théâtre Maninday. Marihina fa talohan’ny naha mpampianatra mpikaroka azy teny amin’ny anjerimanontolo dia efa reliziojy (pretra salezianina) ny Dr Pietro Lupo. Nambaran’ny filohan’ny oniversite, ny Pr Dina Alphonse raha nitafa tamin’ny mpanao gazety ny tenany omaly, tao amin’ny trano fiasany, fa «very raiamandreny sy olomanga izahay satria nahavita be teto aminay ny Dr Pietro Lupo. Ny tenany no nandao ny tany fa ny asany mitoetra eto foana». Hodorana any Angletera ihany ny nofo mangatsiakan’ny Dr Pietro Lupo ary entina any tanindrazany any Sicile Italie ny vovony.
E.R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.