Hotanterahina ao amin'ny Lapan'ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina ny alatsinain'ny pentekosta ho avy izao ny famaranana ny
fifaninanana hitsirihana vehivavy manam-peo hanatevina ny tarika Njila. Tsy ho afaka hanatrika izany anefa i Richard Njila noho ny fandidiana ny fony izay notanterahina tany La Réunion telo herinandro lasa izay. Tsy afaka miasa izy hatramin'ny faran'ny volana Jona izay mbola hitohy mandritra ny enim-bolana any an-tokantranony. Tsy maintsy tanterahina anefa io hetsika io satria efa in-droa nihemotra raha araka ny fanazavana azo noho ny fahafatesan'ny rahalahiny sy ny reniny. Nahazo tso-drano hisolo azy i Hery ao amin'ny tarika Njila hiaraka amin'ireo tovovavy tsara tarehy sy tsara feo miisa 12 hiatrika ny famaranana sy ireo 30 isa hafa hiatrika ny manasa-dalana. Na izany aza anefa dia mampanantena ny hahatongavan'i Njila eto an-tanindrazana izy ireo mandritra ny fankalazana ny faha-40 taonan'ny tarika, izay hiarahana amin'izay vehivavy tsara tarehy sy tsara indrindra lany amin'ilay fifaninanana karakarainy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.