Ny kaomisera Andrianirina Herimalala, komandin’ny FIP Antananarivo sy Officier principal de police Rafaliharivo Jules komandin’ny FIP Toamasina, no mitarika ny “opération” miainga ankehitriny ao Toamasina.
“Saka Mainty”, vondrona polisy napetraka manokana hametraka fandriampahalemana ao Toamasina no anarana entin’izy ireo amin’izao “opération tsy mitsitsy” izao. Raha tafaresaka tamin’ny mpanao gazety ny kaomisera Andrianirina dia nanambara fa baiko hentitra no nomena azy ireo hamongorona hatramin’ny fakany ireo asan-jiolahy misy ankehitriny. Nahitsy teny ingahy kaomisera nilaza fa efa manana lisitra jiolahy 20 izy ireo, izay fantatra fa tena raindahiny sy gadra lava tao Toamasina. “Telo izao no lavo, izay gadra mbola mamita ny saziny ny roa, ary mbola ho avy ny fisamborana na ho fitifirana ireo 17 ambiny raha misy ny famaliana ny fisamborana azy ireo amin’ny basy eny am-pelatanany”, hoy izy.
Fa vaky ambatolampy tamin’ity dinika ity ny tsiambaratelo ka nilazan’ny kaomisera tsy am-pihambahambana fa “basy mivoaka avy ao amin’ny seranan-tsambo ireto miparitaka ampiasain’ny andian-jiolahy ireto. Kalaky, basy poleta, basy poleta 22 long ‘riffle’ izay tena mandratra raha lavidavitra fa mety hahafaty raha akaiky noho ny tanjany”. Nohamafisin’ny kaomisera Andrianirina Herimalala fa “ho avy tsy ho ela ny fisamborana sy famaizana ireo mpanao izany eo anivon’ny seranan-tsambo ao, ka voakasika amin’izany avokoa na polisy na zandary na ny ladoany, sy ny mpiray tendro amin’izy ireo, izay misy mpiasan’ny Port sy ireo mpiasa mpamoka entana”.
Ny lehiben’ny faritra Atsinanana, Alain Mahavimbina koa dia nilaza mazava fa “misy ary tsy maintsy hajaina ny lalàna mifehy ny fisokafana sy fikatonan’ny trano fisotroana sy trano fandihizana. Mikatona amin’ny 09ora alina ny trano fisotroana ary amin’ny 01ora maraina ny trano fandihizana”. Malaza ratsy loatra i Toamasina vokatr’ireo tatitra amin’ny asan-jiolahy misy eto, hoy izy ka “manana andraikitra ny tsirairay hanaraka lalàna, ary vonona ny hanampy sy hanome hery ireo mpitandro ny filaminana ny faritra Atsinanana, amin’ny famerenana ny filaminana ao Toamasina”. Hijanona ao Toamasina mandritra ny fotoana tsy voafetra ireto “Saka Mainty”-n’ny FIP ireto, mandra-piverin’ny filaminana ao an-tanàna ary mandry fahalemana ny mponina.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.