Nanao lakolosy fanairana ho an’ny tompon’andraikitra ao amin’ny Faritra Alaotra Mangoro sy ny Fahefana Avon’ny Tetezamita ireo mpitrandraka alan’ny Fanalamanga sy ireo mpitatitra ny vokatry ny ala any amin’iny Faritra Alaotra Mangoro iny.
Niara-nirona ireo fiara vaventy sy madinika marobe izay niaraka tamin’ny sora-baventy niala avy any Antsirinala (12km miala an’i Moramanga) ka nihazo ny renivohitry ny Distrika. Nisy ny fampanenoana ny anjomaran’ny fiara tamin’izany ka zendana ny rehetra, samy nivoaka hijery ary dia samy rafitra namaky ny sora-baventy izay maneho ny tsy faneken’izy ireo ny fampiakarana mihoa-pampana ny tamberim-bidy nataon’ny Faritra amin’ny fitrandrahana ny ala. Nisy, araka izany, ny fanehoan-kevitra tsotra sy malalaka nataon’ireto mpandraharaha ireto tao Moramanga, izay nomarihin’ny Filohan’ny GREFFAN, Ramila Désiré Marcel fa tsy misy fifandraisany ara-politika, fa ara-toekarena madiodio ny hetsika nataon’izy ireo.
Raha hiverenana, dia nisy fiakarana manodidina ny 330% eo ny tamberim-bidy alain’ny Faritra tamin’izao fampiakarana izao, ka tsy zakan’ireto mpandraharaha ireto ka nahatonga izao hetsika izao. Ny tena tsy naneken’izy ireo ny fampiakarana ihany koa dia tsapan’izy ireo fa anaty krizy ny firenena, kanefa dia ampiakarina mihoatra ny tsy eran’ny aina ny vola fandoa. Tsy misy intsony ny fijerena ny maha olona araka ny fanazavan’ireo rehetra nandray fitenenana.
Talohan’izao dia efa nisy dinika indroa miantoana natao tao Moramanga sy Ambatondrazaka, ary nangatahan’ireto mpandraharaha ireto ny hanaovana isa-Metatra toratelo (m3) ny fandoavana ny tamberim-bidy mba tsy hahavery ireo hazo madinika fotsiny any anaty ala any, nefa dia isaky ny hazo iray ihany no tapaky ny mpanolotsaim-paritra. Raha ny tao anivon’ny Faritra dia nilaza fa tamin’ny taona 2000 sy 2008 no efa tokony ho natao izao fanondrotana izao, saingy izao vao nampiharina, ary efa nisy aza ny fotoana izay niverenan’ny Faritra tamin’ny heviny, ka nanambarany fa izay tapaky ny Faritra amin’izao dia avy hatrany dia hampiharina ho an’ny rehetra. Ny Lehiben’ny Faritra Alaotra Mangoro, ny Dr Ramandehamanana Richard, moa dia nitsotra fa tsy izy no mpanapaka fa ny mpanolotsaim-paritra. Mpanatanteraka ihany ny tenany.
Ireto Mpandraharaha mikasika ny ala ireto dia nanamafy hatrany fa tsy hijanona raha tsy mahazo valiny ka ahitana ny marimaritra iraisana. Miandry izay ho vahaolana, na avy amin’ny Faritra na ho avy amin’ny Fanjakana izany ry zareo mpitrandraka ala sy mpitatitra, koa raha tsy misy izany dia mety ho mafimafy indray ny hetsika ataon’izy ireo.Somary nisy fitohanany nandritra ny minitra vitsy moa ny fifamoivoizana tao Moramanga tao omaly, noho ny hamaroan’ireo fiara vaventy nandray anjara tamin’ny hetsika. Ho hitantsika eo ihany izay ho tohin’izao raharaha izao.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.