Actualités

Nisahotaka tao Toamasina Nandeha ny feo fa hisy hanafika ny Commissariat Central


  • Talata 11 Mey 2010

Hagagana ny an’ny mpampiasa ny lalana mihazo ny Bazary kely Toamasina fa notapahana tampoka ny lalana manoloana ny Commissariat Central ny alatsinainy tolakandro teo anelanelan’ny tamin’ny 4 ka hatramin’ny 5 ora sy sasany.

Nandeha ny feo fa nisy andian’olona nikasa ny hitora-bato sy hanapotika ny Commissariat Central tamin’io fotoana io. Raha nanao fanadihadiana ny mpanao gazety, izay sarotra ny fahazoana ny vaovao noho ny tsy fahazoana izany fa nanidy vava avokoa ireo mpitandro ny filaminana nanontaniana, dia mikasika ny raharaha Keangnam no nahatonga ity fanidiana lalana ity. Nisy mpiasa nitory ny tompon’andraikitra misahana ny mpiasa tao ao amin’ity orinasa noho ny karama banga sy ny faneriterena samihafa. Nahita ny fahamarinan’izany ny mpampiasa teo anivon’ny orinasa ka nanala avy hatrany ilay tompon’andraikitra misahana ny mpiasa tamin’ny toerany. Tsy niandry ela anefa fa nitory ny delegen’ny mpiasa tao amin’ity orinasa ity koa ilay olona nesorina izay nambarany fa nandrahona azy ho faty sy nanafika azy tany an-tranony.

Nosamborin’ny Polisy ny marainan’ny alatsinainy teo ary ireo delegen’ny mpiasa roa, mianadahy, na efa nahazo fiantsoana tamin’ny Police Centrale mba hiatrika ny fanadihadiana ny alatsinainy maraina aza. Avy hatrany dia naiditra “violon” izy mianadahy ireo ary ny tolakandro no nampiakarina fampanoavana sy mpitsara mpanao famotorana. Noho io antony io, no nahatonga ny mpiasan’ny Keangnam nanao rodobe nirohotra niaro ny namany. Teo no nivoahan’ny feo fa hanafika ny Commissariat Central izy ireo ka izay no nahatapaka ny lalana nandritra ny adiny iray ny alatsinainy tolakandro. Nivoaka ny didin’ny fampanoavana sy ny mpitsara mpanao famotorana, fa nahazo fahafahana vonjimaika izy mianadahy delegen’ny mpiasa ireo fa miatrika ny fitsarana kosa ny 27 mey ho avy izao. Nilaza ny hanao fitokonana goavana hiarovana ny namany ny mpiasa raha toa ka misy ny fampidirana azy mianadahy ireo am-ponja araka ny nambaran’ny mpiasa tonga maro be niaro ny namany teny amin’ny Fitsarana. Ampangaina ho mpanakorontana sy mpitarika grevy eo anivon’ny orinasa koa ireto delegen’ny mpiasa mianadahy ireto ka tokony hosaziana. Tantara mitohy izany ny momba ity raharaha Keangnam ity.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JRP na Jeunes Responsable
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

et Patriote Mitsangana hifanolo-tànana

  • Mponina eny amin’ny Akamasoa
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nametraka fitoriana manoloana

  • Fanasohasoana sy fisolelahana be fahatany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Lasa tsipy hoditr'akondro

  • ANTSIRANANA
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Tsy ampy ny solika, misy sahady ny fanararaotana

  • Eliace Ralaiarimanana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Fitiavan-tanindrazana ny

  • Fiaraha-miasa marolafy
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

amin’ny Rosianina

Hijery ny tohiny
FTT