Actualités

Nirodana ny trano Roalahy niara-maty tototry ny tany


  • Alakamisy 28 Desambra 2017

Lehilahy roa no indray maty nihotsahan’ny trano tao amin’ny kaominina Andilanatoby, distrikan’Ambatondrazaka, Faritra Alaotra Mangoro ny talata alina teo.

Raha ny tombantomban’ny manodidina dia tamin’ny 11 ora alina no nisehoan’ny loza, saingy ny maraina ny ankamaroan’ny olona vao tena nahafantatra ny toe-javatra. Samy nifanome tanana nanala ny rindrina nianjera ny olona. Hatairana ny an’ny rehetra fa vatana mangatsiakan’ny lehilahy roa tototry ny tany no hita ankoatra ireo korontan’entana simba tanteraka. I  Dama sy Bemôrisy no anarana ahafantaran’ny olona azy roalahy maty ireo. Tsy fantatra mazava kosa hatreto ny antony niteraka ny firodanan’ny trano, izay tombanana ho noho ny fotoam-pahavaratra maha mando ny tany sy ny rindrina. Ilaina ny mailo sy mijerijery ary manamboatra ny trano fonenana amin’izao fotoana fiandohan’ny orana izao, mba hisorohana ny loza mety hiseho. Vanim-potoana ahitana loza betsaka indrindra sy mahafaty olona maro ny fotoam-pahafavaratra ka aleo miomana mba tsy ho tampohin’ny loza.

Toky R.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT