Actualités

Nirefodrefotra ny basy Maty voatifitra i Paul Rabary


  • Zoma 18 Janoary 2013

Nirefodrefotra ny poa-basy tao Ivory, Fokontany iray ao Antsirabe tampon-tanàna ny alarobia 16 janoary teo tokony ho tamin'ny 9 ora alina.

 Nisy fanafihan-jiolahy tamin'io fotoana io ka lasibatra ary namoy ny ainy tamin'izany Atoa Rakotondrabe Paul Rabary, Ben'ny tanànan'i Manapa, Distrikan'i Betafo. Raha ny fitantaran'ny zanany lahy niatrika ny loza dia mety efa narahin'ireo jiolahy izy ireo satria taloha kelin'io fanafihana io dia naheno olona maromaro mingonongonona tao an-tokotany izy ireo ka nivoaka nanontany. Nikisaka ireo olona avy eo. Tsy ela taorian'izay dia niverina ireo andian'olona ary tonga dia nanapoaka basy. Vao naheno izany ny mponina dia samy nanidy trano avokoa. Niditra ny tokotany ireo jiolahy ka notifiriny ny jiro teo an-tokotany ary niditra an-keriny tao an-trano izy ireo. Avy hatrany dia nitady an'ingahy Ben’ny tanàna ireo jiolahy ary nanontany ny vola.

Nilaza ho tsy nanana ireo ankizy ka nodarohan'ireo jiolahy sy tsy namelany raha tsy namoha ny efitrano iray natorian'ingahy Paul Rabary. Nitady ny vola ihany izy ireo ka notolorana sakaosy iray saingy nilaza ireo jiolahy fa “tsy iny ilay sakaosy misy azy” ka notifiriny ny basy avy hatrany teo amin'ny kibon'ingahy Ben'ny tanàna. Nikoropaka tamin'izay ny iray trano ka namoaka ny sakaosy nisy ny vola sy ny volamena tao an-trano, izay vao navelan'ireo jiolahy, saingy rehefa hivoaka izy ireo dia mbola nitifitra bala faharoa teo amin'ny kibon'ingahy mera ihany no sady nivoaka. Raha ny fanazavana dia efa-dahy nirongo basy no niditra fa mbola nisy namany hafa tao ivelany. Raha ny fahitana azy dia nanodidina ny sivy lahy teo ho eo izy ireo, hoy ireto niharam-boina. Nentina avy hatrany teny amin'ny hopitaly atsimo moa ingahy mera saingy tsy tana intsony ny ainy.

Raha ny fanazavana nomen’ny zanany lahy dia vao tonga io alarobia hariva io izy mianaka ireto avy any Manapa satria nikasa hiakatra ho aty Antananarivo ingahy Paul Rabary ny alakamisy maraina, izao tratry ny fanafihana izao, ka heverin’izy ireo fa olona mety mahalala azy ireto nanafika azy ireto. Ny zavatra tsikariny ihany koa dia ny basy somary miloko mena no nentin’ireo jiolahy araka ny fahitan'ilay tovolahy azy. Namela mananontena 01 sy zaza 10 mianadahy ity Ben’ny tanàna voalohany hatramin’ny naha Kaominina an’i Manapa ity, no izao nindaosin’ny fahafatesana izao. Bala efatra moa no hitan’ny mpitandro filaminana tao an-trano raha ny tatitra azo ihany ka ny roa no efa nipoaka ary ny roa tsy mbola nipoaka. Raha ho an'ny Distrikan'i Betafo dia Ben'ny tanàna niisa telo izay no nisy nanafika ka ny roa no maty dia ny an'ny Kaominina Manapa izao ary ny Kaominina Manohisoa ary ny an'ny Kaominina Antsoso izay nieren-doza. 

Caïus Raharison
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT