Zazavavikely iray 3 taona monja no maty tsy tra-drano ny sabotsy maraina teo teny Analamahitsy akaikin'ny banky BMOI teo aloha. Nentin-dray aman-dreniny nitaingina motô sooter izy io ka teo amin'ny fen'ilay dadany izy no nipetraka fa ilay reniny no nitondra. Nidina avy any Analamahitsy izy ireo. Nisy bisikileta nisongona azy ireo tampoka anefa avy any an-kavanana izay nidina ihany koa ka taitra ilay Ramatoa. Tsy voatanany ny familiana nandritra izany ka nihilana ilay môtô. Nipitika avy eny ambony fen-drainy ilay zaza ary notatazan'ilay taksibe 163 avy hatrany izay nifanila tamin'izy ireo, araka ny fitantaran’ireo nanatri-maso satria ireo ray aman-dreniny tsy mbola nahaloa-peo firy ka tsy azo noresahina tamin’ny fotoana nahatongavan’ny mpanao gazety teny an-toerana. Potika tanteraka ny lohan'ilay tsy manan-tsiny ary nipotsaka ny atidohany. Izymivady kosa nianjera fotsiny fa tsy nisy naninona. Toran-kovitra ny rehetra nandalo. Nilaza kosa ilay mpamily fa tampoka taminy ny zava-nitranga sady tsy nampoiziny. Tsy nanao aroloha ilay zaza. Tsiahivina fa efa noraran'ny mpitandro ny filaminana ny fitondrana zaza latsaky ny dimy taona mitaingina môtô eto amintsika. Efa am-bolana maro izao no nanaovana ny fanentanana izay mbola hitohy hatrany ho fitandroana ny ain'ny ankizy madinika.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.