Actualités

Nina's Tezitra novingavingaina kolonely tany Ambositra


  • Alatsinainy 14 Desambra 2015

Manamboninahitra tsy mahafehy tena ! Tezitra amin’ny fihetsika nataona kolonely zandary taminy sy tamin’ny mpitendriny i Nina's ka naneho ny alahelony tamin’ny tambajotran-tserasera facebook sady niala tsiny tamin’ireo mpankafy azy tany Ambositra.

 

 Nanana « contrat » hanafanana alim-pandihizana tany an-toerana ny tarika Nina's ny alin’ny zoma 11 desambra lasa teo, saingy noho ny fihetsika nataon’io kolonely io dia najanony izany na efa vonona teny ambony sehatra aza ny tarika. «Ialana tsiny ho an'ireo mpankafy tao Ambositra fa voatery najanonay "groupe Nina's" ny lanonana satria maro ny fihetsika tsy mendrika izay naseho taminay. Mba olona manana ny maha izy azy (kolonely) nefa manevateva ampahibemaso teny ambony lapihazo ny mpitendry sady tsy mety miala eo amin’ny « micro ». Rehefa handeha hiakatra aho dia natosiny fa tsy ilaina mihira izany fa miandry ny sitrapony hiala teny fa izy no mandidy », hoy ny fanazavan’i Nina's. Nanipika mazava ity mpanakanto ity fa « asa ny anay, ary ‘contrat’ no antony hiavianay ary nantsoina kanefa toy ireny no fihetsika atao aminay ».

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT