Actualités

Nilatsaka ny didy Voarara ny tsipoapoaka


  • Sabotsy 10 Jona 2017

Namoaka fanambarana ny minisiteran’ny varotra sy ny fanjifana fa noho ny antony filaminana dia hankalazaina tsy misy tsipoapoaka ny fetim-pirenena amin’ity 2017 ity.

 

 Namoaka didim-pitondrana mitondra ny laharana 16 :2017-MID /PREF.POL/AG, mandidy sy mandrara ny fampiasana tsipoapoaka sy ny mitovy karazana aminy eny amin’ny toerana hifamezivezen’ny besinimaro na ireo toerana hafa ihany koa ny prefektiora. Miantefa any amin’ireo mpivarotra na mpamongady na mpaninjara ihany koa io didy fandrarana io. Voarara, araka izany, ny fivarotana ireny tsipoapoaka na « pétards » ireny mandritra izao vanim-potoana hanamarihana ny fetim-pirenena izao. Hisy ny fanaraha-maso ataon’ny minisiteran’ny varotra sy ny fanjifana manana fahazoan-dalana manokana ka horaofina avy hatrany izay tratra. Hafahafa ihany ny fanapahan-kevitra sy ny fepetra raisin’ny minisitera. Raha tena filaminana tokoa ny tanjona dia tany amin’ny fanafarana azy dia efa navoaka ny didy sy lalàna mandrara izany ary nofaritana ny sazy mifandraika amin’ny fandikana ny lalàna napetraka. Mety efa nisy mantsy no nanafatra avy any ivelany raha tsy nisy ny fandrarana mialoha, ka mety hiseho indray ny fifandirana. Zava-dehibe izao fanapahan-kevitra izao satria tena mampikolay ny fiarahamonina mihitsy ity resaka tsipoapoaka ity satria ny vanim-potoana hisiany tahaka izao ihany koa no hararaotin’ny jiolahy. Tokony hisy ny sazy henjana ho an’izay mandika ny lalàna napetraka mba ho anatra ho an’ny maro an’isa.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT