Actualités

Nikodia ny Vato be Olona 7 no maty teny Ampamarinana


  • Alatsinainy 19 Febroary 2018

Loza amin’atambo no nitranga teny Ampamarinana ny sabotsy alina teo, olona 7 no namoy ny ainy, 8 naratra mafy.

 

Nikodia ny bolongam-bato be ary nanapotika avy hatrany trano fonenana miisa 3, ny iray potika tanteraka voapotsitra, ny 2 ambiny kosa simba tamin’ny ampahany. Fianakaviana iray nahitana mpivady sy ny zanany roa ( 9 sy 3 taona) no maty tsy tra-drano, niampy fianakaviana iray izay namoy zaza telo. Misy olona 8 hafa mbola tsaboina eny amin’ny hopitaly noho ny ratra nahazo azy ireo. Ny orambe ny sabotsy teo no fantatra fa antony nampiongotra ilay bolongam-bato, nananosarotra ny famonjena ireo traboina ny sabotsy alina noho ny andro ratsy, nifandrimbonan’ny BNGRC sy ny sampana mpamonjy voina nanala ny sakana sy namoaka ireo vatana mangatsiaka ary ireo naratra. Tonga nizaha ifotony ny zava-nitraga teny an-toerana omaly maraina ny fitondram-panjakana notarihan’ny talen’ny kabinetran’ny filoham-pirenena Eric Randrasana sy ny solontenan’ny governemanta notarihan’ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly Olivier narahana izay notronin’ny minisitra eo ambany fiadidian’ny Repoblika misahana ny tetikasan’ny filoham-pirenena sy ny fanajariana ny tany ary ny fampitaovana, Benjamina Ramanantsoa, ny minisitry ny raharaham-bahiny  Henry Rabary-Njaka, ny minisitry ny filaminana anatiny Mamy Jean-Jacques Andrianisa, ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, nitsapa alahelo ireo niharam-boina sy nankahery azy ireo. Tao koa depioten’Antananarivo IV Andriamatoa Felix Randriamandimbisoa sy ny delegen’ny boriborintany fahefatra Solofo izay tsy niala teny an-toerana nanomboka ny fiandohan’ny loza.

 

Tsy maintsy afindra toerana

 

Nanome baiko hentitra ny praiminisitra ny amin’ny tsy maintsy handraisana fepetra noho ity zava-nitranga ity. Hita izao fa efa tsy marin-toerana ireo vato eny Ampamarinana ka misy ny fepetra tsy maintsy horaisina haingana mba hisorohana ny mety ho fiverenan’ny loza tahaka izao, ny fahavaratra rahateo mbola hitohy. Hoy indrindra ny praiminisitra Solonandrasana : « mandray andraikitra ny fitondram-panjakana ary hisy fanapahan-kevitra hentitra horaisina. Hita fa tsy hijanona eo io vato io ka tsy maintsy hisy fanapahan-kevitra horaisina miaraka amin’ny minisitra eo ambany fiadidian’ny Repoblika misahana ny tetikasan’ny filoham-pirenena sy ny fanajariana ny tany ary ny fampitaovana sy ny kaominina Antananarivo Renivohitra. » Nanao antso avo ho an’ny  mponina eny an-toerana izy mba hanaraka ny fandaminana hapetraky ny fitondram-panjakana. « Miantso ireo mponina eto an-toerana izay manana trano mba hanaiky ny fandaminana satria mety hiafara amin’ny fandaozana ny toerana fonenana ». Nosokafan’ny minisiteran’ny mponina ihany koa ny Centre SEBA eny Isotry afaka mandray ireo fianakaviana voatery mifindra toerana kanefa mety tsy mahita haleha. Hiantoka ny lany rehetra, ny fitsaboana ireo naratra, ny fikarakarana sy ny fandevenana ireo namoy ny ainy ny filoham-pirenena mivady sy ny fitondram-panjakana.

 


Ny 16 martsa 2015 no napoaka ny vatobe milanja 6 000 taonina teny Avaratrankatso satria mampiahiahy ny mety hirodanany. Nahalala mialoha an’io noho ny angom-baovao sy ny fitsirihana natao ny fitondram-panjakana. Voaresaka tamin’izany fotoana fa hojerena avokoa ireo toerana mampiahiahy amin’ny mety hisiana vato mikodia. Nitranga ihany anefa ny loza teny Ampamarinana ny sabotsy teo. Marina fa tsy misy mahalala izay havoaky ny ampitso fa azo atao tsara ny miomana na misoroka loza rehefa ampy tsara ny fahamailoana sy ny fandraisana fepetra matotra amina tranga mampiahiahy fa tsy variana amin’ny adilahy politika.

 


 

Nangonin’i RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT