Nanamarika ny faran’ny herinandro teo ny fahatongavan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana tao an-kianjan’ny Magro Behoririka sy ny nanambarany fa mifarana ny hetsi-pitolomana nitakiana ny hiverenan’ny ara-dalŕna ka nanoherana ny fanonganam-
panjakana, rehefa naharitra enin-taona ngarangidina. Fifanojoan-javatra tsy nisy toy iny, satria dia andro sabotsy 21 martsa 2009 no niandohan’ny hetsi-bahoaka teo amin’ny Kianjan’Ambohijatovo, nifanindran-dalana tamin’ny lanonana nandraisan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ny fianianan’i Andry Rajoelina ka nandraisany fahefana ho filohan’ny tetezamita, rehefa avy nanongam-panjakana. Nisafidy ny andro sabotsy 21 martsa 2015 i Dada nilazana fa miato ny hetsika ao amin’ny Magro. Mihevitra ny mpandinika fa tsy hanao tovana ny lisitr’ireo zavatra nikatona nandritra ny tetezamita iny fifaranan’ny tolona tao amin’ny Magro iny fa kosa ho santatry ny fisokafan’ireo orinasa nakaton’ny Fahefana avon’ny tetezamita. Koa satria Kianja fanehoan-kevitra ny Kianjan’ny Magro dia lôjika raha fisokafan’ireo onjam-peo na Radio nikatona tamin’ny tetezamita no tambiny, ary tsara toerana mety hisantatra izany ny onjam-peon’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara dia ny “Radio Fahazavana”, izay nikatona ny alin’ny 20 mey 2010 rehefa nogiazan’ny fanjakana tamin’izany ny fitaovany, narahin’ny fampidirana am-ponja ny 11 tamin’ireo mpiasa nampihodina azy tao. Efa nafahan’ny fitsarana avokoa izy ireo.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.