Fiaraha-miasa amin’ny Fanjakana sy ny Tsy miankina no nahavitana azy ity. Amin’ny lalana mihazo ny seranan-tsambo no nanorenana azy, mivelatra amina velaran-tany mirefy 5200m˛.
Ny orinasa Jovenna no namatsy vola mitentina 1.500 tapitrisa ariary ny asa fanorenana. Naharitra fito volana ny asa. Araka izany dia ahitana toby mpaninjara solika, Jovenna, eo ampidiran’ity toby fiantsonan’ny fiarakodia vaovao ao Mahajanga ity. Ahitana trano kely miisa 25, natokana ho an’ireo kaoperativa fitaterana an-tanety samihafa ao, ary misy parking midadasika ihantsonan’ny fiara ihany koa. Ny sabotsy 04 desambra teo no nitokanana azy ity, ka nitarika ny delegasionin’ny fitondrana ny Praiministra Camille Vital, niaraka tamin’ireo mpitondra tao an-toerana, andaniny, ankilany ny ekipan’ny Jovenna Madagascar, notarihin’ny tale jeneraliny, Benjamin Memmi. Marihina fa nanorenan’ny Jovenna fotodrafitrasa mitovy amin’ity koa ao “Parcage” Antsiranana, izay heverina hotokanana amin’ny volana martsa taona 2011.
Nisarika ny saina aman’eritreritra ihany ity firodorodon’ny ekipan’ny governemantan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita nitokana ity Gare Routière ao Mahajanga ity. Araka ny fahitan’ny maro azy dia tsy mbola tomombana tsara ny asa. Toerana somary mitokatokana no misy azy ity, ka maro ireo kaoperativa misalasala ho any, indrindra raha tonga amin’ny alina, noho ny antony fandriampahalemana. Te hanamarika anefa ny FAT fa nahavita zavatra na mandalo krizy aza ny firenena. Fa ny mahagaga dia ny hoe misy trano trano vaovao an’ny Trésor ao Mahajanga. Ny fitondrana teo aloha no nanorina azy io. Naninona no tsy sahiny tokanana ? Miharihary fa tsy mahazaka ny fitohizan-draharaham-panjakana izy ireo. Re koa fa misy mitsivalana amin’ny hitokanan’ny FAT azy ny ekipan’ny Trésor.
Nangonin’i Jean D.
Sary : Ny “Gare Routière” vaovao ao Mahajanga.
Encadré:
Ambatondrazaka no manana «Gare routière» manara-penitra voalohany eto Madagasikara. Ao Ambalabako no nanorenana azy ity, vitan’ny fitondrana Ravalomanana. Nihazakazahan’ny FAT notokanana ny 03 jolay 2009 izy io, saingy mandrak’ity ny anio tsy miasa satria tsy misy lamina matipaika ny fitantanana azy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.