Dahalo manodidina ny 40 izay mirongo basy mahery vaika no nitazona ity zazalahy iray natao takalon’aina hitadiavana vola hatramin’ny 20 tapitrisa ariary tany amin’ny distrikan’Amparafaravola.
Avy nivarotra omby ity fianakaviana iray no narahan’ireo jiolahy ary notereny hamoaka ny vidin’omby. Nanambara ilay fianakaviana fa tsy misy vola intsony any amin’izy ireo. Tezitra noho izany ireo dahalo ka naka takalon’aina sady nilaza fa raha tsy manatitra vola 20 tapitrisa ariary ny fianakaviana dia hovonoina ilay zazalahy. Nanomboka teo ny fandraisana andraikitra nataon’ny zandary tao Amparafaravola nampian’ny tao Ambatondrazaka. Nanao vela-pandrika ny mpitandro ny filaminana ka nandeha tany amin’ilay toerana amoron’ala iray voalaza fa hanatanterahana ny takalo hanaterana ny volabe sy hakana ilay zaza. Raikitra ny fifanjevoana rehefa nampiasa ny hakingany nanavotra an’ilay takalon’aina ny mpitandro ny filaminana. Vokany, voatifitry ny zandary ireo dahalo roa saika haka ny vola, ny iray kosa voatifitra fa mbola tafatsoaka ihany. Tao anatin’ny fifanjevoana no nahavoa ny rantsan-tanan’ilay zaza natao takalon’aina. Rehefa nisy ny voatifitra dia nilefa ny ankamaroan’ireo jiolahy. Nanambara ny kolonely Ranaivonampoizina Harilaza fa tsy maintsy fongorina hatramin’ny fakany ireo mpanao ratsy. Hentitra ihany koa ny baikon’ny lehiben’ny faritra Alaotra Mangoro Atoa Ranaivonirina Jean yves fa tsy hamindra fo amin’ireo jiolahy mpanakorontana ny faritra hiadidiany ny tenany.
NiryA
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.