Actualités

Niels Marquardt Marary ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara


  • Alarobia 05 Mey 2010

Tsy nitsitsy fitenenana ny masoivoho amerikanina miasa eto amintsika, nandritra ny lanonana fizarana ny loka ho an’ireo fanadihadiana mendrika indrindra, tafiditra tao anatin’ny fanamarihana ny 3 mey, andro iraisam-pirenena natokana ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety.

Tamin’izany no namakiany bantsilana fa ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety sady tompon’andraikitra no mampahomby ny demokrasia. Ny asa fanaovan-gazety malalaka dia manome vaovao ny vahoaka, mitazona ireo mpitondra fanjakana ho tompon’andraikitra ary mihevitra ny hametraka adihevitra eo amin’ny firenena, sy ny iraisam-pirenena. Mandray anjara lehibe amin’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety ny demokrasia ary dia mendrika fiarovana ara-dalàna izany. Herintaona taty aoriana, hoy ihany ity masoivoho amerikanina ity, dia zary lasa hidirana politika sy mizarazara ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara. Saika ana mpanao politika na an’ny naman’ny mpanao politika ny gazety, na haino aman-jery eto. Izany dia mampanahy be ihany, hoy i Niels Marquardt. Anisan’ireo lasibatr’izany manokana moa ny tenany, hoy ihany ity masoivoho amerikanina ity. Novain’ny mpanao gazety sasany ny vaovao, hoy izy, momba indrindra ny fomba fijerin’ny governemanta amerikanina. Tsy dia be vaovao ny gazety Malagasy, hoy izy, fa saika vaovao milaza ny heviny manokana no soratan’izy ireo. Miteraka fifangaroan-tombontsoa ihany koa ny fisiana mpanao gazety sady tompon’andraikitra eo anivon’ny governemanta na koa mpanolotsaina anaty antoko. Manoloana izany, dia anjaranareo mpanao gazety no mitaky ny fahalalahanareo mba hisian’ny maha matihanina, hoy ihany i Niels Marquardt. Adidin’ny mpanao gazety tompon’andraikitra ny mitady sy mamoaka ny marina. Raha ny tarehimarika navoakan’ny fanadihadian’ny Reporters Sans Frontières moa dia very toerana 40 i Madagasikara tamin’iny taona 2009 iny. Zava-doza ho an’ny asa eto amintsika, hoy ihany ny RSF, ny fifanandrinana eo amin’ireo mpanao gazety izay miaro ny firehana politika tohanany. 

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JRP na Jeunes Responsable
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

et Patriote Mitsangana hifanolo-tànana

  • Mponina eny amin’ny Akamasoa
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nametraka fitoriana manoloana

  • Fanasohasoana sy fisolelahana be fahatany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Lasa tsipy hoditr'akondro

  • ANTSIRANANA
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Tsy ampy ny solika, misy sahady ny fanararaotana

  • Eliace Ralaiarimanana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Fitiavan-tanindrazana ny

  • Fiaraha-miasa marolafy
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

amin’ny Rosianina

Hijery ny tohiny
FTT