Nanda ankitsirano ny vaovao navoakan’ny haino aman-jery samihafa momba ny fahaverezana volabe 12 miliara ariary tao an-tranony ny Praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier omaly. Raha ny vaovao niely moa dia hoe notehirizina tao an-tokantrano izy io no nangalarin’ny mpanampy, ary efa hatry ny faran’ny herinandro teo no nivoahan’io resaka io.
Nosokajiany ho ao anatin’ny heloka momba ny fikirakirana ny aterineto sy ny tambajotram-pifandraiasana na “cybercriminalité”. Mahita ianareo ny fanelezana vaovao tsy marina, ary izao moa hitanareo iny lasibatra iny, hoy izy. Misy ny miteny hoe manana 12 miliara ariary aho dia hoe voaroba tao an-tranoko. Tsy maninona, fa afaka mandainga fa aza adino, hoy izy, fa ny lainga atao dia toy ny salaka, ka mamatotra ny tompony ihany. Somary nivazivazy ity praiminisitra ity nilaza, fa raha izy no manana izany tsy nanao praiminisitra fotsiny. Hafatra nataony ny hoe: aoka izay ny fanosoram-potaka ny fitondram-panjakana. Tsy mety intsony ilay izy. Ary izaho miteny foana hoe tsy hitondra voka-tsoa ho antsika izany. Mety faly izany ny olona nanao azy, mety misy antony ao ambadiky ny olona manao azy, ary fantatra ny manao ireny, fa ny mahagaga dia ireo neverina ho namana aza no manoratra ireny. Mankao amiko izy rehefa misy zavatra mahaliana azy, kanefa avy eo dia manoratra ireny, hoy hatrany izy. Tsy mampaninona izany, fa izaho mahatanty fa ny tiako tenenina hoe aza korontanina ny saim-bahoaka, hoy ity tompon’andraikitra ambony ity. Raha ny filazan’ny praiminisitra izany, dia fandikan-dalàna sy fanosoram-potaka azy io natao io. Ho avy amin’ny angady sy ny harona ary ve izany izy amin’ny fanenjehana satria azy ny fahefana ? Fomban’ny mpitondra rahateo no manangam-bovona, ary hikoha-maina aza hataony mainka fa misy ny toe-javatra tahaka izao. Tsy hiandany na amin’iza na amin’iza fa matoa ihany koa ny mpanao gazety sahy namoaka iny resaka iny, dia manana ny loharanom-baovaony, ka mifamahofahofaho tanteraka ity resaka ity. Tsy fantatra intsony ihany koa izay zavatra marina sy diso amin’ny zavatra aloaky ny vavan’ny mpitondra, raha tsy hilaza afatsy ilay horonantsarin’ny depiote mombana fizarana vola tany anaty “chambre”. Samy hafa ny ambaran’ny samy depiote tafiditra ao anatiny, ka tao ny nilaza fa horonantsary efa tamin’ny taona 2016. Tao ny niteny fa vola ataon’ny depiote solika. Tsy fantatra intsony izay marina sy diso aloaky ny vavan’ny mpitondra !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.