Herinandro katroka anio ny nisehoan'ilay loza mahatsiravina, namoizana ain'olona fito mianaka tetsy Ampamarinana vokatry ny fianjeran'ny vatobe iray izay namotika trano telo teny an-toerana.
Nisy olona valo hafa ihany koa naratra tamin'iny loza iny, ka anisan'izany i Mamy. Raha efa tafaverina eny anivon'ny fianakaviana ireo fito, dia mbola tavela ao amin'ny HJRA i Mamy. Misy tapaka ny taolan-damosiny ary mila fandidiana. Mitaraina mafy anefa ny fianakaviany fa tsy mba mahazo fanampiana na dia nisy fampanantenan'ny fanjakana ny handray an-tanana ireo niharam-boina tamin'iny loza iny aza. Hatry ny omaly, tsy mbola nisitraka izany fandraisana an-tanan'ny fanjakana izany i Mamy, ny fianakaviany no niezaka nanao izay vitany. Hadino ao amin'ny HJRA ity marary ity, nefa voalaza fa mila vola farafahakeliny 1.200.000 Ariary hiatrehana ny fandidiana hatao aminy. Nomen'ny hopitaly fe-potoana hatramin'ny anio sabotsy 24 febroary i Mamy fa rehefa tsy vonona io vola 1.200.000 Ariary dia halefa mody amin'aretina izy. Ny trano nonenany tokony hivantanany koa aza anefa potika. Ny solombavambahoaka voafidy tao amin'ny Boriborintany faha-4, Randriamandimbisoa Félix sy ny kaominina Antananarivo Renivohitra no efa nanao tolotanana ho an'ity marary ity.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.