2001- 2010, feno sivy taona amin’ity taona ity ny onjam-peo sy fahitalavitra FMA (Feon’ny Mazava Atsinanana) ao Toamasina. “Fahafinaretana ho an’ny rehetra (plaisir pour tous)” izay no filamatra aminy. Rasolofonjatovo Nestor no filoha tale jeneraliny, ary 12 ny mpiara-miasa miaraka aminy manodina azy. Nisy ny tafa fohy nifanaovana taminy momba ny lalana nizorana sy mbola haleha ary ny tantaran’ny FMA izay nifamahofaho ihany nandritra izay sivy taona nisiany tao Toamasina izay.
Tia Tanindrazana (T.T) : Nestor Rasolofonjatovo, azonao tantaraina fohy ve ny momba ny FMA izay anao ankehitriny ity?
Nestor Rasolofonjatovo (R.N) : Raha ny tantaran’ny FMA dia dia azoko zaraina telo miavaka tsara. Ny taona 2001-2003 izay tao anatin’ny fananganana azy, ny tenako koa teo anivon’ny RNM/TVM Toamasina nandritra ny 20 taona mahery. Ny famindrana tsy amin’ny antony natao tamiko no nahatonga ahy naka ny “disponibilité”, ka nampisy ny hambom-po niaraka tamin’ny fianakaviana Rajaonarivelo nanangana ity FMA ity. Henjana ny lalao tany am-boalohany fa nezahana ny nandamina azy.
T.T : Ireo fizarana roa hafa nolazainao kosa nanao ahoana?
R.N : Ny 2003-2007, tao no tena henjana tamiko satria nisy ny fampidirana am-ponja vonjimaika ahy noho ny raharaha nanenjehan’ny fitsarana ahy fa “nanozongozona ny filaminana anatiny ny firenena sy ny filaminam-bahoaka”. Nisy fiatoana mihitsy ny FMA vokatr’izany, nefa soa fa herinandro ihany no nihazonana ahy tao am-ponja dia nafahan’ny fanjakana ihany aho. Tsoriko aloha fa ny FMA dia tsy miandany ara-politika, fa izay mahaloa ny hofan’ny fandaharana ataony dia mahazo laka avokoa. Samy nanana ny fijeriny mikasika ny FMA ny mpihaino sy ny mpanjifa teo, fa izahay no niezaka nanazava dia nisy hatrany ny fiaraha-miasa na ara-panjakana na tsy miankina. Ny taona 2007-2010 : namidy ny FMA, nisy ny hambom-po ka vokatry ny ezaky ny mpiara-miasa sy ny namana ary ny mpiara-miombon’antoka, dia novidinay ny FMA, ka nanomboka ny taona 2009 dia an-dRasolofonjatovo Nestor sy ny mpiara-miasa aminy ny FMA fa resaka iniana aely ny feo alefa etsy sy eroa ny teo aloha ireny.
T.T : Hanao ahoana ny hoavin’ity onjam-peo sy fahitalavitra ity?
R.N : Miezaka sy hiezaka amin’ny fanatsarana izahay izao, izao koa vao vita ny trosa. Ny famatsiana ny fitaovana sy ny fanatsarana ny fandaharana, izay haompanay amin’ny fanakaikezana ny vahoaka anisan’ny mampiavaka anay izahay. Hampitomboana koa ny fiaraha-miasa amin’ireo haino aman-jery rahavavy sy ny mpanao gazety samihafa. Raha ny tanjonay dia ho tsara ny hoavy, ny fahasimbam-pitaovana afitsoky ny herinaratra eto amintsika ity no tena olana goavana.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.