Iray volana lasa no nanomezan’ny minisitry ny indostria Rafidimanana Narson toky tamin’ireo raiamandreny sy lonaka tao Ambalakisoa Toamasina Renivohitra, amin’ny hanamboarana ilay tetezan-kazo tena mampanahirana azy ireo izay mampitohy fokontany roa,
dia Ambalakisoa sy Antanambao Verrerie ary hivezivezan’ireo zaza mamonjy sekoly ihany koa izay tena mitatao ny loza isaky ny fotoanan’ny orana sy ny ranobe. Tonga nijery ny fanombohan’ny asa izy ny sabotsy teo, ka ny fanadiovana ny fako manentsina ilay tetezana no natao tamin’ny alalan’ny asa tanamaro ka ny minisitra ihany no niantoka izany. Hanomboka anio alatsinainy ary hovitaina ao anatin’ny 12 andro ny fanamboarana ilay tetezana, izay izy tenany manokana amin’ny maha fokontany naha lehibe azy an’Ambalakisoa ity no hiantoka ny vola lany rehetra ka ny zanaky ny fokontany ihany no hanao ny fanamboarana.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.