Actualités

Nanolana mpiasa an-trano Saika borin’ny kaikitra ny filahiany


  • Talata 15 Septambra 2015

Tovovavy iray 20 taona mpiasa an-trano no nametraka fitoriana fa naolan’ny zanaka lahin’ny mpampiasa azy, ny alahady teo tany Toliara.

Raha araka ny fanazavana voaray dia noteren’ny zanaky ny mpampiasa azy hiray aminy ity vehivavy mpiasa an-trano, izay efa notsiriritin’ilay tovalahy efa hatry ny ela. Nandà ilay tovovavy, saingy notolomin’ilay tovolahy sady norokorohany, ary nesoriny ny silipony.

Nihevitra ilay tovolahy fa nahazo fafiny noho ny orokoro-batana ilay mpiasa an-trano izay tsy nanohitra intsony. Iny hanatsofoka ny filahiany any am-bavan’ilay tovovavy iny izy nokaikerin’ity farany ny maha lehilahy azy, saika tapaka sy niboba ra. Nihikiaka mafy «maty aho” ilay tovolahy. Taitra ny teo amin’ny manodidina ary nitangorona ny olona. Nantsoina tamin’ny findainy ny ray aman-dreniny mbola nivavaka tany am-piangonana, nampahafantarina ny zava-misy. Mbola manaraka fitsaboana ilay tovolahy saika bory filahiana noho ny hadalany. Voatery noroahina ilay mpiasa an-trano, satria afa-baraka tanteraka sy nitafy henatra ny mpampiasa azy.

Eric R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT