Actualités

Nandritra ny krizy 600 miliara Ariary isan-taona ny vola very


  • Alatsinainy 29 Oktobra 2012

Tao anatin’ny telo taonan’ny krizy dia nahatratra 600 arivo tapitrisa Ariary isan-taona ny vola very tamin’ny famatsiam-bola avy any ivelany tokony ho azon’i Madagasikara, ho fanampiana ny teti-bola sy ny fanamboarana ireo fotodrafitrasa mavesatra amin’ny hetran’ny fanjakana malagasy.

 Raha jerena anefa ny fanampiana nomen’ireo mpamatsy vola vahiny ny Malagasy tao anatin’ny 50 taona nitantanan’ny Malagasy ny tahirim-bolany  dia ny Banky Iraisam-pirenena no nanome be indrindra izay nahatratra 2.621 miliara dolara. Izy no mpamatsy sy nanampy tamin’ny sehatra maro. Nanaraka azy ao ny Banky Afrikanina momba ny Fampandrosoana na BAD, nitentina 718 miliara dolara. Ny FIDA 168,40 miliara dolara, OPEP 132 miliara dolara, BADEA 127,47 miliara dolara, Chine 50 miliara dolara, Inde 25 miliara dolara, tahirim-bola Kaoesianina 22,96 miliara dolara, tahiry Saodianina 22, 17 tapitrisa dolara, ary firenena Koreanina 14,12 miliara dolara. Tsy hita tao anaty tahirin-kevitry ny Tahirim-bolam-panjakana na Trésor kosa ny fanampiana avy amin’ny Vondrona Eoropeanina sy ny Frantsay ary ny Firenena Amerikanina.

Tamin’ireo famatsiam-bola rehetra ireo anefa, dia nitana ny lohalaharana nampiasana azy ny lafiny fotodrafitrasa sy ny sehatra mamokatra ary ny ara-tsosialy, izay nahatratra 1.080,02 miliara dolara (27,70%) sy 809,31 miliara dolara (20,68%) ary 746,32 miliara dolara manome ny 19,14% ny famatsiam-bola. Ny fanampiana ny teti-bolam-panjakana kosa no faha-04 izay manome ny 16,42% ka nitentina 647,65 miliara dolara, izay anisan’ny olana goavan’ny fitondrana tetezamita ka nanakorontana ny fitantanam-bola sy nampihenana ny fandaniam-bolam-panjakana hatrany amin’ny 30% - 70% arakaraka ny ministera.

Niteraka fampandrosoana teto amintsika ve ireo famatsiam-bola maro avy any ivelany ireo ? Izay no fanontaniana miverimberina eny ambavan’ny tsirairay. Milaza moa ny tahirim-bolam-panjakana fa tsy misy olana ny volam-panjakana satria voaloa isam-bolana ny karaman’ny mpiasam-panjakana ary nahafahana nanao fotodrafitrasa ny 30%-n’ny volam-panjakana. Hita miharihary anefa ny fiantraikan’ny tsy fisiam-bola, indrindra eo amin’ny sosialim-bahoaka manginy fotsiny ny fitomboan’ny fahantrana izay avo lavitra noho ny tamin’ny taona 80 sy ny tahan’ny tsy fidirana an-tsekoly ary ny resaka fahasalamana, araka ny tarehimariky ny sehatra iraisam-pirenena…

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT