Nahatratra valo ireo olona lasibatry ny fahapoizinana ara-tsakafo faobe tonga nanatona ny sampana fameloman’aina tetsy amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha ny alahady sy ny alatsinain’ny paska lasa teo.
Antony niteraka ny fahapoizinana raha araka ny fanazavan-dRandrianandraina Nirina, tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ity hopitaly ity ny fihinanana paty sy sardine raha teo ihany koa ny mayonnaise sy ny fisotroana ranom-boankazo tsy madio tsara. Nahatratra 27 isa kosa ireo tonga nozaham-pahasalamana ka ny enina voatana raha efa maty tany amin’ny toerana nisy azy kosa ny dimy. Ireo mpisotro toaka no betsaka indrindra tamin’ireo. Nahatratra 11 mantsy izy ireo tao anatin’ny roa andro. Ho an’ireo tonga nanatona ny sampana vonjy taitra kosa indray dia nahatratra 275 ireo tonga nozaham-pahasalamana ka ny 83 isa no notanana raha iray kosa no namoy ny ainy teny an-dalana. Ny 112 tamin’ireo dia vokatry ny loza niniana natao raha 79 kosa no lasibatry ny lozam-pifamoivoizana. Marihina moa fa niakatra be ireo olona tonga nanatona ny hopitaly HJRA tamin’ity taona 2015 ity raha oharina tamin’ny taona 2013 sy 2014.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.