Actualités

Nandritra ny fety Olona 7 namono tena, 15 toran’ny toaka


  • Talata 03 Janoary 2017

Olona telo no namoy ny ainy tetsy amin’ny hôpitaly HJRA nandritra ny fety.

Ny iray voatsatok’antsy vokatry ny ady nifanaovany tamin’ny namany raha maty tamin’ny fomba hafa kosa ny roa ambiny. Nitovy tamin’ny taon-dasa ihany io tarehimarika io raha araka ny fanazavan’ny profesora Rakoto Alson Aimée tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ity hôpitalim-panjakana iray ity. Nihena kosa anefa  ny isan’ireo olona tonga nandalo tao amin’ny hôpitaly tamin’ity taona ity hoy hatrany izy raha oharina tamin’ny taon-dasa. Ho an’ny sampandraharahan’ny vonjy taitra manokana dia nahatratra fito ireo olona namono  tena ka ny efatra tamin’ireo tamin’ny  andron’ny 31 desambra  raha tamin’ny  Alahady taom-baovao  kosa ny telo ambiny. Olana ara-pitiavana tamin’ny ankapobeny no nisarika azy fito mianadahy mianaka ireo hamono tena ankoatra ireo nanana olana tamin’ny vadiny sy ny fianakaviany. Na izany aza tsy nisy ny namoy ny ainy izy ireo fa avotra  soa aman-tsara avokoa. Olona miisa fito hafa ihany koa no lasibatry ny aretin-kibo raha tafakatra 15  isa ireo nisotro toaka diso tafahoatra ka tsy nahatsiaro tena saingy mbola afaka nandia ny taona 2017 soa aman-tsara ihany. Ho an’ilay lozam-pifamoivoizana nitranga tetsy amin’ny By-pass afaka omaly moa dia fantatra fa mbola tazonina ao amin’ny hôpitaly ilay zazakely iray vao 12 volana monja raha efa nalefa nody avokoa ireo 30 ambiny naratra.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT