Ny olona mankalaza ny andron’ny vehivavy, ry zalahy manafika. Mpivarotr’omby telolahy nandeha moto no lasibatry ny jiolahy dimy lahy, mitam-basy poleta sy kalaky, teny Ambatomitsangana, Kaominina Ampanotokana,
Distrikan’Ambohidratrimo ny marainan’ny alahady 08 martsa teo. Lasan'ireo olon-dratsy tamin'izany ny vola mitentina 6 hetsy sy 18 tapitrisa Ariary. Naratra mafy nandritra ny fanafihana ireo mpivarotr’omby, ary tsaboina ao amin'ny klinika Ankadifotsy. Nanao ny fanarahan-dia avy hatrany ny Fokonolona sy ny Zandary avy ao amin'ny tobin-janaparitry ny zandarimaria Ampanotokana, nampian’ny andia-miaramila mpampandry tany ka nifankatratra tany ankaikin’i Farahantsana ny mpanara-dia sy ny jiolahy. Raikitra ny fifampitifirana, ary dia maty voatifitra ary nokapakapain’ny olona nandritra izany ireo jiolahy 5 ireo. Tratra tany amin’izy ireo ny lelavola 18 tapitrisa Ariary, mbola karohina miaraka amin’ny basy nampiasain’izy ireo kosa ny 6 hetsy Ariary.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.