Actualités

Namandri-tena ny mpitondra Mirongatra ny fitakiana samihafa


  • Zoma 13 Aprily 2018

Miverimberina ny fitakiana isan-karazany eto amin’ny firenena noho ny tsy fisian’ny tena vahaolana maharitra, fa ny fampandriana adrisa no betsaka, hany ka miotrika eny foana ny fitakiana.

 Toa mifoha ho azy eny foana, raha tsy hilaza afatsy ny an’ny Sendikan’ny mpampianatra mpikaroka na ny SECES, izay vao tsy ela akory izay no nanambana tsy hiditra amin’ny taom-pianarana 2018, raha tsy mivaly ny fitakiana efa hatry ny ela. Torak’izany ny an’ny mpandraharaha ny fonja izay niafara tamin’ny tsy fandraisana gadra na fitondrana azy ireny teny amin’ny fitsarana, herinandro vitsy lasa izay. Ny an’ny mpitatitra io mbola mananontanona io, ary efa mandeha ny vono afon’ny fanjakana eo anatrehan’ny zava-misy. Mitatao eo an-damosin’ny fitondrana hatrany ny famahana ireny hetsi-pitakiana isan-karazany ireny. Raha vao mivaha ny an’ny an-kilany, toy io an’ny mpitatitra izay heverina fa hizotra amin’ny fanentsenana ara-bola ny elanelam-bidy na “compensation” sy “subvention”, dia mipoitra ny an’ny an-daniny, hany ka tototry ny hetsi-pitakiana ny mpitondra fanjakana. Karazan’ny midi-kizo sy mamandri-tena ny mpitondra. Vao mainka mampihetsika ny hambom-pon’ny sendika na ny mpanao fitakiana isan-karazany rahateo ny fisian’ny resaka kolikoly sy volabe mihodina eto amin’ny firenena, raha tsy hilaza afa tsy ny eny Tsimbazaza, toy ny fandaniana ny lalàm-pifidianana nampalaza ny kolikoly avo lenta. Midika izany fa manam-bola ny fanjakana, saingy hoenti-miaro seza amin’ny politika, hany ka mitombo ny fahatezerana sy ny herim-pitakiana. Nalaza iny ny resaka momba ny 50 tapitrisa na 60 tapitrisa avy ho an’ny depiote nanambazana azy ireo, ka efa mananika ny 5 miliara ariary no lany, raha tena nisy tokoa. Olom-bitsy no misitraka ny vola sy harena ary toa lanilany foana amin’ny tsy misy dikany kanefa ny mpiasam-panjaka, ohatra, tsy nisy ny fampiakarana karama. Ny vidin-jiro midangana, ny vidin-tsolika miakatra, ny vidim-piainana mampikolay kanefa ny mpitondra toa manam-bola mety hahavaha amin’ny ampahany na manontolo ny olana, saingy manompa vahoaka amin’ny zavatra tsy misy dikany sy ny kolikoly. Raha ny volabe nanambazana ny depiote na ny nireven’ny HVM tamin’ireny filankevitry ny minisitra mitety faritra ireny fotsiny aza angamba efa nahavita toby famatsiana herinaratra goavambe, ohatra, saingy ny finiavana sy ny fahatongavan-tsaina no tsy misy. Atao mahagaga ve raha mirongatra ny fitakiana isan-karazany ?

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT