Mampanahy ny hoavy politikan’ny depiote eny amin’ny boriborintany fahadimy eto Antananarivo Atoa Naivo Raholdina taorian’ilay ampamoaka goavana ny faran’ny herinandro teo, izay nilazan’ny fampahalalam-baovao fa tsy atoro voanjo hadiana amin’ny fanodinkodinana tany ny tenany.
Ny avy amin’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany no nanao ny ampamoaka nandritra ny valandresaka tamin’ny mpanao gazety, fa maro ny aferan-tany mahasaringotra ity solombavambahoaka IRD ity. Dosie 3 no voalaza fa mahasaringotra azy, ankoatra ireo hafa mbola ao anatin’ny fanadihadiana. Anisan’ireo voatonona ho nanodinkodina ny kianja fanaovana Rugby eny Soavimasoandro, ary nahazo ana hektara maro nampitondraina ny anarana « Fanantenana Hanitriniala », anaran’ny vadiny izy. Voatonona ho atidohan’ny fangalarana ny tanin’ny minisiteran’ny asa vaventy eny Alarobia, tsy ananany taratasy mazava kanefa nanaovana fanorenana tsy nisy fahazoan-dalana, ka nosakanana sy natsahatra. Nirefotra izany ny dosie momba ity depiote ity, izay mety tsy hitsahatra eo. Tsy tongatonga ho azy satria ny fanjakana no manenjika azy na mihevi-tena ho akaiky ny filoha Rajoelina aza ny tenany ka tsy ho azo kitihina. Tsikaritra ho somary ratsy toerana ao anatin’ny antoko satria efa lany tamin’ny fifidianana savaranonando tao anatin’ny vondrona IRD fa hatao filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena ho an’ny faritanin’Antananarivo, saingy nitsimbadika ny rasa avy eo ka lasan-dRasolonjatovo Honoré ny toerana. Resaka nandeha tetsy Tsimbazaza ny hoe efa nanao “arosage” niantoka 5 tapitrisa ariary nampifaliana ireo depiote izy. Lany ho filohan’ny vaomieran’ny fananan-tany, saingy mety hitsimbadika ny tantara atsy ho atsy noho ireo dosie mahasaringotra azy. Mety hisy rahateo ny fanovana ny fitsipika anatin’ny antenimiera, ka mety hokitihina hampitoviana amin’ny isan’ny minisitera ho 22 ny isan’ireo vaomiera izay 32 amin’izao. Soso-kevitra efa nandeha ihany koa ny mety handinihana sy hanesorana ny zo tsy azo henjehina, izay entin’ny fanjakana hanehoana sy handresen-dahatra ny mpamatsy vola fa tena miady amin’ny kolikoly. Anisan’ny hopehina ve ny depiote Naivo Raholdina ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.