Actualités

Nahomby ny paikadin-dRavalomanana Nihena ny vary nohafarana avy any ivelany


  • Talata 22 Jona 2010

Na dia efa nihatsara aza ny voka-bary eto Madagasikara dia tsy maintsy manafatra vary avy any ivelany ihany ny Malagasy mba hitsinjovana ny maitso ahitra sy zavatra mety mitranga tampoka, tahaka ny loza voajanahary, araka ny fanazavan’ny avy eo amin’ny Ministeran’ny varotra.

Iray hetsy taonina isan-taona no filana ara-bary tsy maintsy hafaran’i Madagasikara any ivelany. Firenena roa dia i Indonezia sy Pakistan no hanaovana izany. Ny mpandraharaha avy amin’ny sehatra tsy miankina moa no manafatra sy mividy ny vary any ivelany, fa manamora ny fikarakarana ny antontan-taratasy fotsiny ny Fanjakana, no sady manara-maso ihany koa ny fanapariahana sy ny fivarotana izany vary izany. Ho an’ny telo volana voalohany tamin’ity taona 2010 ity, dia nahatratra roa alina taonina ny vary nohafarana. Araka ny fanazavana azo avy eny amin’ny ministeran’ny varotra dia nahitana fihenana ity fanafarana vary ity, ny taona 2009 sy 2010. Raha roa hetsy taonina tokoa mantsy ny nohafarana ny taona 2008 sy tamin’ny taona maro tao alohan’izay, dia efa nihena ho iray hetsy taonina izy io nanomboka tamin’ny herintaona.

Tsy azo hodian-tsy hita fa ny ezaka tao anatin’ny enin-taona nataon’ny fitondrana Marc Ravalomanana tamin’ny fanampiana sy fampianarana ary fampirisihana ny tantsaha mba hiditra amin’ny teknikam-pambolem-bary maoderina sy manara-penitra no nampitombo miandalana ny voka-bary teto amintsika. Maro be ireo tantsaha no nanao ny voly vary maro anaka sy nampiasa zezika ary nampiasa ireo milina maoderina izay tena nanafaingana sy nampitombo ny vokatra. Karazana hetsika telo no tena nanamarika ity fanatsarana ny voly vary eto amintsika ity dia ny ezaka zezika, ny fizarana masomboly voafantina ary ny ezaka kibota sy traktera. Anisan’ny fanamby napetraky ny fitondrana Ravalomanana ny fahavitan-tena ara-bary, izany hoe ampy ho an’ny malagasy ny vary vokarina eto. Rehefa mitombo ny vokatra ka misy ny ambim-bava, dia afaka manondrana vary amin’ireo tsena goavana aty Afrika i Madagasikara. Raha ny fahitana azy aloha hatreto, dia nahomby ny ezaka tamin’ny fampitomboana ny voka-bary tao anatin’ny enina taona. Farany dia tsara ny manamarika fa manodidina ny 850 ariary ka hatramin’ny 1300 ariary ny iray kilao amin’ny vary eny an-tsena amin’izao fotoana.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Faminaniana vaovaon'i Pr Mailhol
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Amin'ny 2030

  • Fampandrosoana miainga
  • Zoma 24 Aprily 2026

amin’ny famokàrana Nampiharin’ny mpanjanaka

  • Tany eto madagasikara
  • Zoma 24 Aprily 2026

Hofoanana ny tany colons,

  • Business day
  • Zoma 24 Aprily 2026

andiany voalohany

  • NY TENA FIAINAN-DRAMALAGASY
  • Zoma 24 Aprily 2026

MARIO mpitondra lakana

Hijery ny tohiny
FTT