Actualités

Nahitana tady “nylon” tao anatin'ny kibon'ilay rameva maty


  • Zoma 05 Novambra 2010


Vita omaly ny fitiliana izay tao anatin'ny kibon'ilay rameva iray maty ny talata teo tetsy Tsimbazaza. Raha araka ny vaovao voaray izay voamarina rahateo tamin'ny loharanom-baovao maromaro akaiky izany dia nahitana tady “nylon” maromaro tao anatin'ny kibon'io biby izay nomen'ny Filoha Lybiana Khadafi ny Filoha Ravalomanana io. Mety mitombina ihany, araka izany, ny fiheverana fa namosaviana io biby izay 14 taona io. Raha tsiahivina dia efa fotoana elaela izay no tsy salama ity rameva iray amin'ireo dimy tonga teto amintsika ity. Nifandimby teo ny karazana dokoteram-biby nanao izay ho afany tamin'ny fitsaboana azy saingy tsy nahitam-bokany tamin'ny fahasalamany izany. Nisy mihitsy aza ny mpitsabo biby izay nohafarana avy any Libia saingy tsy tonga mihitsy io farany. Tsy nahy ve ka nihinankinam-poana no nahatonga ireo tady tao anatin'ny kibon'ilay rameva ireo ? Sa kosa dia niniana namosaviana tsotr'izao noho ny tsy fitiavana ny tompony. Raha ny tsikaritra mantsy dia efa niha nahia sy tsy dia voakarakara intsony ireo biby ireo hatramin'ny niovan'ny Fitondrana.

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT