Mitohy ny tantara mampifanolana an’Atoa isany Zaranaina sy Ramarovahiny izay samy nanambara fa manana ny fanafody manasitrana ny aretina sida.
Taorian’ny nanafahan’ny fitsarana an-dRamarovahiny ny 16 jolay lasa teo noho ny fiampangana tsy marim-pototra araka ny fitoriana napetrak’i Zaranaina dia hitory ity farany indray Ramarovahiny noho ny fanalam-baraka imasom-bahoaka, fitoriana miaro fanasoketana ary fampiasana vavolombelona tsy marina. Mbola nanamafy hatrany Ramarovahiny fa tsy naka tahaka na koa nangalatra ny voka-pikarohan’i Zaranaina ny tenany ary efa nangataka tamin’ity farany izy mba hanaovana fampitahana ny asan’izy ireo.
Mikasa hanatontosa andrana na «essai clinique» eto an-toerana, andiany faharoa an’ilay fanafody antsoina hoe JMAR1 ity mpikaroka malagasy ity ka mararin’ny sida miisa 200 no heveriny hanaovana fampiharana raha taham-pahasitranana hatrany amin’ny 60% kosa no andrasany. Efa nanome ny fahazoan-dalana amin’izany ny ministeran’ny fahasalamana saingy tsy afaka miroso amin’io dingana io anefa ny ekipany raha tsy mahazo ny fankatoavan’ny komity teknika izay tsy mbola nanome ny valin-teniny. Sakana tsy ahafahany manatanteraka ny «essai clinique» koa anefa ny lafiny enti-manana. Lelavola mitentina 5 ka hatramin’ny 8 tapitrisa dolara mantsy no ilaina hanatontosana ity tetikasany eto Madagasikara ary mila ny fitaovana fanisana ny viriosy ao anatin’ny rà antsoina hoe : «compteur de charges virales» koa izy. Miantso ny fitondram-panjakana malagasy sy ireo vondrona isan-karazany ny tenany, araka izany, mba hanome tanana azy. “Voaporofo tamin’ny andrana natao tamina mararin’ny sida 7 tany Maorisy fa mamono ny Vih tokoa ny JMAR1 ary tsy manimba ireo taova hafa saingy tsy mbola tonga lafatra anefa izy io fa mila fikarohana maromaro. Koa miantso ny fanjakana izahay mba hanafatra ny «compteur de charges virales» izay ahafahana manara-maso hatrany ny fivoaran’ny tsimokaretina”, hoy Ramarovahiny. Mitentina telo hetsy ariary amin’ny vola Malagasy ny saran’ny fitiliana iray amin’ity fitaovana ity. Raha ny nambaran’ity mpikaroka nahita ny JMAR1 ity ihany dia maro ireo mpiara-miombon’antoka vahiny vonona hanohana ny asany raha tsy hilaza afa tsy ny fanjakana Maorisiana izay efa namolavola tetikasa fananganana ivotoerana iray lehibe andraisana ireo mararin’ny sida manerantany saingy nolaviny izany. “Reharehan’ny Malagasy izy ity amiko ka tsy hamidiko mihitsy ny vokatry ny fikarohako saingy vonona hiara-hiasa amin’ireo vahiny vonona hanaraka ny fepetra apetrako kosa anefa ny tenako”. Tsara moa ny manamarika fa tsy mbola fanafody azo amidy akory ny JMAR1 fa mbola sokajiana ho “phytothérapie”.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.