Tsy ao Toliara intsony amin’izao ilay fiarabe « camion semi-remorque » miloko manga nahafaty olona, ny antoandron’ny sabotsy heriny lasa teo, tao amin’ny tsenan’i Soanafindra Amborongony.
Tsy hita popoka ny toerana misy azy ankehitriny, satria olona ambony mahitahita ny tompony, raha ny loharanom-baovao marim-pototra. Ny zoma teo no nandalo teny amin’ny fitsarana ny raharaha, ary navotsotra nalefa nody ny mpamily, satria tsy ampy ny antontan-taratasin’ady.
Nandeha mafy
Raha ny voalazan’ireo nanatri-maso, nandeha mafy tao anaty fiolanana ity fiarabe ity. Zazavavy sivy taona no maty tsy tra-drano, raha naratra mafy vaky loha ny reniny, ary mbola nandona fiarabe iray hafa teo am-pitsoahana (vaky ny « rétroviseur »-n’ilay « camion ben » havia). Nijanona ny mpamilin’ilay fiara simba (teo amin’ny 10 m aloha amin’ny toerana nisehoan’ny voina) sady nivoaka nanenjika ilay kamiao nahavanon-doza nitsoaka tsy nety najanona.
Tratra niafina tamina tokotanin’olona iray mifefy tao Mitsinjo Betanimena, 4 km miala ny toerana nisehoan’ny lozam-pifamoivoizana, rehefa nokarohina sy narahin-dia, ary efa tsy tao intsony ny mpamily sy ny mpanampy azy, izay nanafatra mafy tamin’ny mpiambina tanàna, fa « rehefa misy olona mitady ahy dia ataovy hoe tsy ato aho ». Rehefa nosavana ilay fiarabe tratra nahafaty olona dia andramena na «bois de rose» sy voamboana na «palissandre» no nentiny, hoy hatrany ny loharanom-baovao.
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.