Tomefy olona teo anoloan’ny tsangambaton’ny fahaleovantena sy manodidina ny garan’Antsirabe ny alarobia 9 mey teo, izay nanamafisan’ny depiote sy ny vahoaka ny tolona iaraha-manana amin’ny etsy amin’ny 13 mey.
Solombavambahoaka 3 no niara-nitarika ny hetsika dia ny depiote Jean Francois Michel, Antsirabe I, Randrianantenaina José, Antsirabe II ary ny depiote Voahangy Raharimanarivo avy eny Atsimondrano. Ny MMM Antsirabe no nanokatra ny fotoana ka nosoloan’i Dr Hervé tena, izay nanamafy ny fanohanana ireo depiote 73 mitaky ny fanovana. Ankoatra ny tatitra momba ny fanapahan-kevitry ny HCC sy ny tohin’ny tolona, dia nifoha hatrany ny fitakiana ny fanokafana ny orinasa AAA-Tiko Andranomanelatra, izay anisan’ny maharary ny vahoaka ny nanakatonana azy kanefa mamelona vahoaka an’arivony maro. Voatonona ho tompon’antoka voalohany ny prefen’Antsirabe satria ambaran’ny ny orinasa hatrany fa taratasy fampiatoana no eo am-pelatanany fa tsy fanakatonana. Nisy ny taratasy nataon’ny mpiasan’ny AAA-Tiko amin’ny hanokafana ny orinasa hiasan’izy ireo, izay nankatoavin’ireo solombavambahoaka 73, ka naterina tao amin’ny prefektiora avy hatrany. Nirohotra niaraka tamin’ireo solombavambahoaka moa ireo vahoaka saingy tsy niditra ny faritry ny biraom-panjakana fa ireo depiote no nifampiresaka tamin’ireo mpitandro ny filaminana izay tao anatin’ny fefy. Tsy tao kosa Ramatoa prefe. Rehefa nantsoina an-tariby izy dia nanafatra hoe : apetraho amin’ny « Gardien » ao fa horaisiny. Nihazo an’Andranomanelatra ny rehetra taorian’izay satria ireo mpiasa dia efa niandry ny hanokafana ny orinasa. Nanao ny tatitra ireo solombavambahoaka dia nilaza ireo mpiasa sy ny solontenan’izy ireo fa manome 5 andro ho an’ny prefektiora mba hanokafana ity orinasa ity ary hanala ireo mpitandro ny filaminana ao an-toerana. Aorian’izay dia handray andraikitra ireo mpiasa sy ny vahoaka amin’ny hanokafan’izy ireo ny orinasa.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.