Anisan’ireo Faritra nahatsiaro manokana ny Minisitry ny mponina sy ny raharaha sosialy teo aloha, Nadine Ramaroson ny tao Vakinankaratra ny andron’ny 28 aogositra teo nandritra ny fitsingerenan’ilay andro nahafetesany tany Soanierana Ivongo.
Raha ny tao Antsirabe dia fotoam-bavaka niraisam-pinoana notarihin’ny FFKM ao an-toerana no natao tao amin’ny Tranoben’ny kolontsaina ka nanasan’ny avy ao amin’ny biraom-paritry ny mponina sy ny raharaha sosialy ny mponina Antsirabe sy ireo tomponandraiki-panjakana. Nambaran-dRtoa Raherison Lalanirina,Talem-paritry ny mponina sy ny raharaha sosialy ao Vakinankaratra fa anisan’ny antony nanaovana izao tsiaro manokana izao ny soa nomen’ity minisitra ity ny Faritra fony fahavelony, toy ny fanorenany trano fihaonana ho an’ireo zokiolona ho an’Ambatolampy sy Betafo, teo ihany koa ny fanampiana manokana ireo sembana ao Ambohipeno izay tazain-dry masera, ny fanampiana ireo sahirana maro tao Ambohibary–Sambaina, ny fanohanana foibe fanofanana ny jamba ihany koa ary navoitrany ihany koa ny nankalazana ny andron’ny sembana tao Vakinankaratra noho ny habetsahan’ireo toby mikarakara izany ao an-toerana.
Fa ankoatra ireo moa dia maro ireo fikambanam-behivavy no nahazo tohana tao Antsirabe sy Vakinankaratra nandritra ny nitondrany ny ministera fony fahavelony ka rariny raha hotsarovana izay asa vitany izay, hoy ihany ity tompon’andraikitra ity. Nampiavaka ny fanamarihana moa ny seho an-tsehatra nataon’ireo mpanakanto sy ny fihirana ny hira “Hitsangana aho”, izay noforonin’i Nadine Ramaroson ka i Tahiry tao amin’ny Pazzapa 3 no nanao izany. Saika tazana nanome voninahitra ity fotoana ity moa ireo tompon’andraikitra tao an-tanànan’Antsirabe.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.