Fikambanana iray miezaka hametraka fanjakana matanjaka eto amintsika ny Msis tatao ( Tohana Ainga ho an’ny Tambajotran’ny olom-pirenena). Faritra miisa fito eto Madagasikara no efa niasany, raha efa folo taona kosa no nisiany.
Antom-pijoroany ny fahatsapan’ny mpikambana fa misy fanatsarana tokony hoentina hahafahan’ny fikambanana rehetra toa azy mifandray tanana hisian’ny fanjakana matanjaka sy maharitra eto amintsika. Tafiditra ao anatin’izany ny famoahan’izy ireo drafitra miavaka ahitana ny resaka fitantanam-bolam-panjakana, ny fampitomboana ny fahaiza-manaon’ny olom-pirenena tsirairay avy, ny fanaraha-maso ny lafiny ara-pahasalamana …Efa vita rafitra ao anatin’io drafitra io avokoa ny ankamaroan’ny tetikasa hotanterahina satria tanjon’ny fikambanana ihany koa ny hifanampy amin’ny fanjakana mba hisy fiantraikany mivantana amin’ny olom-pirenena tsirairay avy ny asa hataon’izy ireo. Nisy ny dinika niarahan’ny fikambanana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy omaly tetsy Anosy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.