Tsy afa-misitraka ny zo ekonomikany, amin’ny ankapobeny, ireo mponin’ny faritra iva, raha ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny Cefor, Jean Ambinintsoarivelo, na ny ivontoerana iray misehatra amin’ny fanabeazamboho ny fanofanana ara-pihariana tetsy amin’ny Pave Antaninarenina ny zoma teo.
Tsy hitan’izy ireo ny lalan-kombana matetika amin’ny fahafaha-miasa sy mampidi-bola. Nampahafantarana tamin’iny fotoana iny ny fahatontosan’ny tetikasa mifandraika amin’izany izay niharan’ity rantsana ity miasa amin’ny vondrona eoropeanina ka mponina avy amin’ny faritra iva miisa 800 isa no fantatra fa efa nisitraka ny tetikasa. Nisy ny ivo manokana natsangana nahafahana nanofana azy ireo, nanangana tetikasa ary ny fomba findramam-bola. Nisy tamin’ireo nindram-bola no efa nitadiavana asa na nampiana koa namorona ny asany, raha ny fanazavana hatrany. Fokontany 137 amin’ireo 197 eto antananarivo ao anatin’ny boriborintany 6 kosa no tafiditra ao anatin’ny tetikasa ka ireo faritra avo ihany no tsy ao anatiny.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.