Mbola miangona eran’ny tanàna ihany ny rano maloto ao amin’ny fokontany Manarintsoa Atsinanana amin’izao na dia efa andro maromaro aza no tsy nirotsahan’ny ranon’orana intsony.
Noho ny fahasimban’ireo motera telo amin’ny efatra, ao amin’ilay “station de pompage” izay misintona ny rano maloto ao amin’ity fokontany iray ity sy ny manodidina rehetra, no voalaza fa antony ary mandefa izany any amin’ny lakandranon’Andriantany. Nisy ny fitarainana efa nataon’ny fokontany teny anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny distrika, araka ny fanazavan-dRaharimampionona Nirina, sekreteram-pokontany ao an-toerana, ho fitandroana ny fahasalaman’ny mponina. Fantatra fa hotanterahina amin’ny volana aprily ilay tetikasa hanalana ireo tsikafona be izay manampina ny vavan’ilay “station de pompage” ao an-toerana. Horariana vato iray manontolo ihany koa ilay toerana ivarinan’ny rano avy any amin’ireo fokontany manodidina rehetra. Efa misy moa ireo dokotera avy amin’ny CSB II entina fiara mandehandeha mijery ny fahasalaman’ireo mponina eny an-toerana noho izay rano miandrona eran’ny tanana izay. Maro mantsy ireo karazan’aretina mety ho avy amin’izy ireny toy ny tazo mahery, ny kohoka…. Mikasika ilay asa tanamaro manokana dia fantatra fa ny fokontany ihany no miantoka ireny izay handoavana 40.000 Ar isaky ny mandeha.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.