Vao miresaka CNaPS dia ny volan-jaza sy ny fisotroan-dronono no be mpahalala. Ho an’ny vahoakan’i Morombe, indrindra ireo mpiasa amin’ny sehatra tsy miankina dia sambany izy ireo no nahafantatra fa hay ny Tahirim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy (na ny CNaPS) ihany koa dia mandray an-tanana izay tra-doza am-perinasa na koa marary vokatry ny asa.
Nivoitra izany nandritra ny fiofanana nokarakarain’ny CNaPS tany Morombe faritra Atsimo Andrefana nandritra ny telo andro tamin’ny alalan’ny sampandraharaha SASS (Service d’Actions Sanitaire et Sociale). « Anisan’ny nitondra zava-baovao ny fiofanana satria nahafantarana ireo karazana tombontsoa nomen’ny CNaPS ho anay mpiasa », hoy ny sœur Annie mpanabe amin’ny sekolim-pinoana any Morombe. Anisan’ny olana tsy hisitrahan’ny mpiasa ireo fanampiana atolotry ny CNaPS ho an’ny mpiasa sy ny vady aman-janany ny tsy fahafantarana ny lalàna. Izay fampahafantarana ny lalàna mifehy ny asa sy ny lalànan’ny fiahiana ara-tsosialy izay indrindra mba tsy hahavery zo ny mpiasa no antony mahatonga ny CNaPS manatona ifotony amin’ny alalan’ny fiofanana toy izao, hoy Andriamatoa Ramahavita Gabriel talen’ny masoivohon’ny CNaPS any Toliara izay nitarika ny delegasion’ny mpampiofana. « Tsy manavakavaka ary tsy mijery halaviran-tany ny toniam-pitantanan’ny CNaPS », hoy izy ka na dia 284km miala an’i Toliarya aza no misy an’i Morombe dia tonga ny ekipa CNaPS hampahafantatra ireo tombontsoan’ny mpikambana ao amiy. Ao ny fanampiana ny fianakaviana ahitana ny volan’ny bevohoka, ny fanonerana ny vola lany tamin’ny fiterahana, ny volan’ny mpitaiza kely, ny volan-jaza ary ny antsasa-karama ho an’ny vehivavy miasa. Ao ihany koa ny fandraisana an-tanana ireo tra-doza vokatry ny asa na voan’ny aretina avy amin’ny asa. Misy ny solon-karama, ny vola lany tamin’ny fitsaboana, ny saran’ny fivezivezena mandritra ny fizahana ara-pahasalamana sy ny fampiantsoana atao’ny CNaPS amin’ny fanaraha-maso ny fivoarana ara-pahasalaman’ny tra-doza, ny saram-pivahinianana, ny solon-takaitra, ny solom-pandevenana, ny vidin-takaitra ary ny fanampiana ho an’ny vady aman-janaka navelan’ny maty. Mikasika ny fisotroan-dronono dia ao ny fisotroan-dronono feno, ny fisotroan-dronono mifanahantsahana, ny « allocation de solidarité », ny fanampiana ho an’ny vady aman-janaka navelan’ny maty, ny vola ho an’ny zokiolona tsy mbola feno 60 taona nefa marary tsy vokatry ny asa, ny famerenana ny latsakemboka ho an’ireo mpiasa tsy nahafeno ny fepetra voalazan’ny lalàna.
Amin’izao fotoana moa dia azon’ny mpiasa atao tsara ny manara-maso ny kaontiny ao amin’ny CNaPS amin’ny alalan’ny tranonkala www.cnaps.mg na koa manatona mivantana ny biraon’ny CNaPS manerana ny Nosy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.