Velon-taraina mafy ireo mponina etsy La Réunion kely amin’izao. Tsy mbola misy tonga eny am-pelatanan’izy ireo ihany mantsy ireo fanampiana nampanantenain’ny filoham-pirenena, taorian’ny nandalovany teny an-toerana.
Anisan’ireny ny chapiteau hanoloana ny trano sachet plastika hipetrahan’izy ireo, ho fiarovana azy amin’ny ranon’orana. Zavatra hafa mihitsy no nitranga teto, hoy ireo mponina eny an-toerana taorian’ny nandalovan’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina tety aminay. Nafindran’ny sefom-pokontany toerana izahay fa tsy nety niala. Ny filoha anefa taorian’izay tsy nijanona nandefa iraka nijery ny tena fiainanay marina. Ny nahavariana dia tsy nisy tohiny ihany koa. Ireo fanampiana tokony ho nomena anay dia amin’ny alina hatrany vao mody misy midina mizara eny an-toerana, taomina amin’ny alalan’ny sarety. Miantso ny filoham-pirenena mba hijery akaiky ny fiainana hiainan’izy ireo ny mponina etsy La Réunion kely izay efa mihoatra ny 3.000 isa ankehitriny. Efa tafakatra hatrany an-tranon’izy ireo indray mantsy ny rano maloto taorian’ny niavian’ny rotsak’orana tsy niato ny faran’ny herinandro teo ka mifangaro tanteraka ny maloto sy ny madio.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.