Nanao fanambara am-pahibemaso omaly ireo mponina eny ambany tanana mikasika ilay tranga nahazo ny solombavambahoaka Rossy tany Soanierana Ivongo, nandritra ny fikasan’ity farany hanatanteraka fampisehoana tany an-toerana ny herinandro teo.
Nambaran’izy ireo tamin’izany fa manameloka tanteraka ny fikasihan-tanana nataon’ny solombavambahoakan’i Soanierana Ivongo tamin’ny solombavambahoaka Rossy izy ireo. Tafiditra ao anatin’izany ny fandranitaka adim-poko eo amin’ny samy Malagasy hoy izy ireo, ny famingavingana…Miantso ny solombavambahoakan’i Soanierana Ivongo mba hiala tsiny tamin’ny tsy nety nataony araka izany ireo mponina eny ambany tanana. Miantso ny Fitondram-panjakana mba handray andraikitra ihany koa izy ireo tsy hiverenan’ny tranga tahaka izao intsony.Ankoatr’izay moa araka ny fanambaran’ny ben’ny tanànan’i Soanierana Ivongo omaly dia mahazo manatanteraka ny fampisehoana any Soanierana Ivongo amin’izay daty mety aminy ny tarika Rossy.Naaton’ny fitsarana miady amin’ny fanjakana moa ilay fanafoanana ny fampisehoan’ny tarika Rossy nataon’ny lehiben’ny distrikan’i Soanierana Ivongo.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.