Actualités

Mponin’Avaratr’Ankatso Ampirisihana hifindra eny Ambohidratrimo ?


  • Alakamisy 19 Martsa 2015

Olona 65 avy amina trano 11 eny Avaratr’ankatso no tsy mbola afaka miverina any an-tranony noho ny fahasimbana nateraky ny fikodian’ny vato avy napoaka. Tsy mazava amin’ireo mponina ihany koa izay hanala ireo poti-bato nianjera sy nifatratra ao amin’ireo trano sasany eny Avaratr’Ankatso

 


 

. Toa samy mody fanina mantsy na ny Colas na ny BNGRC raha araka ny filazan’ny mponina eny an-toerana. Etsy an-kilan’izay, mitaintaina ireo mponina simba trano hoe hisy ihany ve sa tsia fanonerana ? Raha misy dia ohatrinona ? Iza no hanome azy ary rahoviana no mety hahazoana izany ? Ny governemanta ihany moa no manana ny teny farany momba izany, fantatra ihany koa izao fa efa misy toerana akaikin’ny trano mora eny Ambohidratrimo afaka mandray ireo mponin’Avaratr’Ankatso te hifindra monina. Milaza ny tsy manana vola hanampiana ireo izay mifindra monina kosa anefa ny fitondram-panjakana fa dia samy mianto-tena izany. Oviana marina no efa nanomana io toerana mety hifindra-monina eny Ambohidratrimo io ny fanjakana ? Toa tsy nisy resaka momba izany mihitsy mantsy hatramin’izay. Manahy ny mponina sasany eny Avaratr’Ankatso eny fa sao ho paikady efa voaomana mialoha hamindra-monina azy ireo ity fanapoahana ny vatobe ity !

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT