Tsy rariny ny fisian’ireo mpividy volamena mipetraka anaty fiara manamorona ny lycée Rabearivelo, araka ny filazan’ireo mpanefy volamena, izay manana sata ara-dalàna no sady mandoa hetra.
Hita fa nitombo izay tsy izy tokoa, tahaka ireo mpanao taxiphone ireo mpividy volamena, ary tsy eny amin’ny sisin’ny arabe ihany no ahitana azy ireo, fa eny amin’ny elakelan-trano, ary mandefa karazana dokambarotra amin’ny gazety mpiseho isan’andro ihany koa. Misy amin’izy ireo mihitsy moa no milaza fa sahy mividy volamena amin’ny vidiny lafo. Ny olana anefa araka ny nambaran’ireo mpanefy volamena dia manimba tsena izy ireo, satria tsy ara-dalàna sy tsy mandoa hetra, koa dia miantso ny tomponandraikitra izy ireo mba handray fepetra hentitra momba ity fividianana volamena an-tsokosoko eny analakely ity. Fa ny tena olana goavana, araka ny nambaran’ny ray amandreny sasany tafaresaka taminay, dia lasa mampirisika ny ankizy hangalatra ny firavaka ao an-trano ireto mpividy volamena ireto ; koa tsy vitsy arak’izany ireo very entana, noho ny fisian’izy ireo. Etsy ankilan’izay dia mandeha ny resaka fa ireo milaza azy fa mpividy volamena ireo ihany koa no maniraka ireo mpanao sinto-mahery eny Analakely Soarano sy Ambodifilao, ary izy ireo no mandray ireo firavaka azo avy amin’izay rehefa avy eo. Ao anatin’ny gaboraraka tanteraka, araka izany ireto mpividy volamena ireto, ka raka ny hevitry ny maro dia tsy tokony ho mandrimandry manan’aretina na ny Kaominina Antananarivo renivohitra, na ny mpitandro ny filamianana fa tokony hiditra an-tsehatra haingana amin’ny fanadiovana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.