Actualités

Mpivarotra - Tsena COUM 67 Ha “Mila mihaona amin’ny ben’ny tanàna izahay”


  • Alakamisy 23 Novambra 2017

Omaly vao maraina tokony ho tamin’ny 05 ora sy sasany dia efa tonga nandrava ny tranovy an’ireo mpivarotra soldes etsy amin’ny Coum 67 ha ireo andian’olona izay voalaza fa voakaraman’ilay tompon’andraikitra iray eo anivon’ity tsena ity, manohana akaiky ireo mpivarotra vaovao kasainy nomena ny toerana. Tohana mafy vokatr’izany ireo mpivarotra “soldes”

 

izay efa nanajary ny toerana am-polony taonany maro ka nanatanteraka fitokonana ary nilaza fa rehefa alana avokoa ireo mpivarotra ao amin’ny  tsenan’ny Coum 67 ha dia tokony alana avokoa  fa tsy ireo manamorona ny sisin-dalana eny amin’ny Havana ihany. Potika vokatr’izany ny ankamaroan’ny tranovin’ireo mpivarotra ireo.  Na izany aza anefa dia tsy nanaiky izy ireo fa niverina nivarotra ihany ary nilaza fa tsy  misy hanaiky mora foana ny hiala amin’ny toerany, raharaha izay hirarian’izy ireo mihitsy ny hahatongavany eo anivon’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Lalao Ravalomanana. Andrasana araka izany ny  fanapahan-kevitra raisin’ny kaominina manoloana ity tranga ity hisorohana ny mety hisian’ny fifandonana eo amin’ny samy mpivarotra.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT