Actualités

Mpivarotra finday amoron-dalana Mitombo isa hatrany eto an-drenivohitra


  • Zoma 23 Martsa 2018

Mitombo isa hatrany ireo mpivarotra finday amoron-dalana eto an-drenivohitra amin’izao.

 

Mila hifanisa amin’ny mpivarotra friperie mihitsy izy ireo izay efa zary mahazatra ny ankamaroan’ny olona raha oharina ny eny amin’ny magazay. Raha araka ny fanadihadiana natao dia tsy hanavahana sokajin’olona intsony amin’izao ny mividy finday eny amoron-dalana. Manomboka amin’ireo karazany efa simba sy tsy hampiasaina intsony izany hatramin’ireo avo lenta misy android. Manomboka amin’ny 10.000 Ar dia efa mahazo ireny finday ireny raha misy mahatratra hatrany amin’ny 150.000 Ar ny lafo indrindra. Eo an-danin’izay koa anefa dia mirongatra hatrany ny halatra finday eto amintsika. Tsy andro tsy alina fa amin’ny fotoana rehetra mihitsy ka nisy tamin’ireo mpanendaka tratra no efa nanoro ireo mpivarotra finday amoron-dalana izay vatsiany. Raha misy porofo tahaka izany daholo fa finday halatra no hamidy eny amoron-dalana, hoy ny kaomisera iray nanaiky ny hanome vaovao dia  vonona izy ireo ny hamongotra azy ireny ary tsy misalasala mihitsy. Raha tsy misy porofo kosa anefa dia mitovy amin’ny mpivarotra amoron-dalana rehetra ihany izy ireny izay samy tsy ara-dalàna avokoa. Nomarihin’ity kaomisera iray ity kosa anefa fa  raha miantso ny mpitandro ny  filaminana ny kaominina mba hifanome tanana amin’izy ireo hamongotra ireny mpivarotra tsy ara-dalàna ireny dia vonona izy ireo.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT